Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 30 - Ny Filalaovana Angatra.

    Naseho hay ny fitaka famelezan’ ny fanahy (angatra). Hitako fa nanana fahefana I Satana haneho endri-javatra maro isan-karazany eo anoloantsika, ary miseho ho toy ny havantsika sy namantsika izay efa matory ao amin’i Jesosy ankehitriny izy. Toa hita marina ho ireny maty ireny mihitsy no eo, ary hiteny tahaka azy ireo niteny fony izy ireo tety an-tany tamin’ny fahavelony. Ary hiteny tsy misy valaka amin’ ny fanenon’ny feony izy ireo amin’ny fampiasany ireo fiteny mitovitovy amin’izay ifankahazarana. Ireo rehetra ireo dia natao mba hamitahana izao tontolo izao, sy handatsahana azy ireo ao anatin’ny fandrika ho amin’ny finoana io fanangolena io.HM58 65.1

    Hitako, fa ireo masina ireo dia tsy maintsy manana fahalalana tanteraka ny amin’ ny fahamarinana ankehitriny, ary dia hanana fiarovana avy amin’ny Soratra Masina izy ireo. Ary tsy maintsy mahafantatra izy ireo, hoe ahoana ny amin’ny toetry ny maty; satria hisehoan’ireo fanahin’ireo demonia izy ireo miaraka amin’ ny fisandohany ho ray aman-dreny sy sakaizan’izy ireo ary hanehoany foto-pampianarana mifanohitra amin’ ny Soratra Masina. Dia hanao izay tsy azo atao izy ireo mba hampitranga sy hahazoany ny fon’ny olona. Ary hanao fahagagana izy ireo mba hanamafisany ireo fanambarany. Ireo zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy vonona ny hanohitra an’ireo fanahy ireo amin’ ny alalan’ny Soratra Masina izay milaza fa ny maty tsy mba mahalala na inona na inona ary koa ireo fisehoany dia tsy hafa fa ny fanahin’ny demonia no manao izany. Hitako fa tsy maintsy mandinika tsara ny fototry ny fanantenantsika isika, satria tsy maintsy hanome ny anton’izany avy amin’ny Soratra Masina isika; satria hitantsika ny fihanak’izany fitakin’ny fanahy ratsy izany dia tsy maintsy hitolona hifanohitra izany mifanatrika isika. Ary raha tsy voaomana amin’izany isika dia ho tafiditra anatin’ny fandrika sy ho resy. Fa raha manao izay azontsika atao isika amin’ireo anjarantsika mba ho fiomanana amin’ny ady izay miandry antsika, dia hanao ny anjarany koa Andriamanitra, ka ireo tana-maheriny no hiaro antsika. Hirahiny haingana ireo anjeliny rehetra hiala ny voninahiny mba hanao fefy manodidina ireo fanahy mahatoky, toy izay hamela azy ireo ho voafitaka sy voasarika amin’ireo fahagagana mandaingan’ny Satana ireo.HM58 65.2

    Hitako ny hafainganan’ny fiparitahan’ity famitahana ity. Naseho ahy ilay fiaran-dalamby, nandeha tahaka ny hafainganam-pandehan’ny tselatra. Nandidy ahy mba hijery amim-pitandremana fatratra ny anjely. Nampifantoka ny masoko teo amin’ilay fiara aho. Toa niondrana sy nandray toerana tao daholo izao tontolo izao iray manontolo. Nony avy eo dia nasehony ahy ny mpamily izay tsara endrika sy nataon’ireo mpandeha ho zavatra sy nohajainy tokoa. Sanganehana aho ary nanontany ilay anjely mpanampy ahy hoe iza moa izy io?HM58 65.3

    Hoy izy: “Satana”. Mpamily maka ny endriky ny anjelin’ny mazava izy. Nalainy ho babo izao tontolo izao. Nanaiky ho latsaka ao anatin’ny haraton’ny famitahany ny olombelona ary nino an’ireo lainga, izay nahatonga azy ireo ho very. Ny mpiray tetika aminy ilay farany ambony indrindra, manarakaraka azy dia ny tompo-marika (ingénieur) ary ireo hafa mpiray tetika aminy dia miasa amin’ireo toerana amin’izay mety hilany azy ireo, ary ireo rehetra ireo dia mandeha daholo tamin’ny fahafainganam-pandehan’ny tselatra ho amin’ny fahaverezana. Nanontany ilay anjely aho raha tsy nisy tavela intsony teo. Nasainy nijery tamin’ilay lalana mifanohitra amin’ ny teo aho, ary indro, hitako ilay vondrona kely izay nandeha tamin’ny lalan-tery. Ary ny rehetra dia toa hita nifandray mafy tokoa sy nifamatotra tamin’ny alalan’ny fahamarinana.HM58 65.4

    Manana endrika toa trotraky ny havizanana vondrona kely, toy ny hoe avy nandeha namakivaky ady sy fisedrana mahamay izy ireo. Ary toy ny vao niseho avy taorian’ny rahona ny masoandro ka mamirapiratra teo amin’ny endrik’izy ireo. Ary izany no nahatonga azy ireo hita ho toy ny mpandresy, toy ny hoe efa akaiky ny fandresen’izy ireo.HM58 65.5

    Hitako fa nomen’ny Tompo an’izao tontolo izay rehetra ahafahany mahita ireo fandrik’I Satana. Ampy ho porofo ho an’ny Kristianina ity zavatra iray ity raha tsy misy hafa intsony: Tsy nisy fahasamihafana natao teo anelanelan’izay sarobidy sy ny mendrika hatao tsinontsinona.HM58 65.6

    Thomas Paine izay nanana vatana lasa ho vovoka ankehitriny, ary izay antsoina hivoaka amin’ny fiafaran’ny 1 000 taona, amin’ny fitsanganana faharoa mba handray ny valin’ny asany, ka hijaly ao amin’ny fahafatesana faharoa, dia asehon’i Satana toy ny efa any an-danitra, ary nasandratra ambony tokoa any. Nampiasain’ny Satana izy fony izy teto an-tany nandritra ireo fotoana ela nilany azy, ary ankehitriny dia mbola tohizany hatrany izany asany izany amin’ny alalan’ny fihamboany fa I Thomas Paine dia nasandratra sy omenboninahitra tokoa any an-danitra; iriny ny hinoana fa satria nampianatra ny asany tety an-tany izy dia asehon’i Satana koa fa mbola mampianatra any an-danitra koa izy. Ary ny sasany teto an-tany izay tsiravina tamin’ny fiainany sy ny fahafatesany, ary ireo fampianarana sandoka izay nataony tamin’ny fahavelomany, dia indro ankehitriny fa manaiky fanambarana sandoka amin’ ny alalan’ny famohazana angatra dia izay ampianarin’ilay farany ratsy indrindra sy farany loza be indrindra tamin’ny olombelona; ilay nanao tsinontsinona an’Andriamanitra sy ny lalàny!HM58 65.7

    Ilay rain’ny lainga dia manajamba sy mamitaka izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fandefasana ireo anjeliny hivoaka mba hiteny amin’ny anaran’ireo Apostoly ary hanao izay hinoana fa izy ireo ( apostoly) hanohitra ireo izay nosoratany fony izy ireo teto ambonin’ny tany, dia izay notononin’ny Fanahy Masina. Naneho an’ireo Apostoly ho nanova ny fampianarany ihany ireo anjely mpandainga ary nanambara izany ho nisy hosoka. Amin’ny fanaovany izany dia sitrak’I Satana ny mandatsaka ireo mihambo ho Kristianina izay manana ny anarana ho velona kanefa maty ihany sy izao tontolo izao iray manontolo ao anatin’ny fisalasalana mikasika ny Tenin’Andriamanitra. Io boky masina io izay manohitra ny planany ary misakana ny làlany (Satana). Noho izany dia mitondra ny olombelona izy mba hisalasala ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Baiboly; ary koa manandratra an’I Thomas Paine tsy mino ho toy izay ny niditra tany an-danitra taorian’ny fotoana nahafatesany, ary mikambana amin’ireo apostoly masina izay nankahalainy tety an-tany dia nikambana, ary misolo-tena azy ho toy ny nampianatra marina an’izao tontolo izao izy.HM58 66.1

    Notendren’I Satana ny asa izay tokony hataon’ny tsirairay avy amin’ireo anjeliny. Nandidy azy ireo izy mba ho mamitaka, mahay zavatra, ary fetsy. Nanome toro-hevitra tamin’ny sasany tamin’ireo izy mba hanao ny anjara asan’ireo apostoly ka hiteny amin’ny anaran’izy ireo, ny sasany hafa koa, mba hanao ny anjaran’ireo olona tsy mino sy ratsy fanahy izay maty teo am-panozonana an’Andriamanitra, kanefa ankehitriny dia miseho amin’ny endriky ny mpivavaka loatra. Tsy nampisy fahasamihafany na dia kely akory aza teo amin’ireo apostoly farany masina indrindra sy ireo tsy mino farany ratsy indrindra izy. Samy natao ny hifampianatra amin’ ny zavatra mitovy izy ireo. Tsy mampaninona an’ i Satana na iza izay ampiteneniny, raha sendra ka tanteraka ny zavakendreny. Nifandray akaiky tamin’ny Paine tokoa izy tety ambonin’ny tany, ary nanampy azy tokoa izy, koa mora fotsiny aminy ny mahalala ny teny izay fampiasany, sy ny sora-tanan’ny zanany izay nikely aina fatratra nanompo azy tamim-pahatokiana tokoa, ary nanatanteraka ny tanjony ara-dalàna.HM58 66.2

    Maro tamin’ireo soratr’I Paine no Satana mihitsy no nanonona azy, ka tsotra ho azy ny mibaiko ny fihetsehampony amin’ny alalan’ireo anjeliny ankehitriny, ary mampiseho izany ho toy ny tena avy tamin’I Thomas Paine, ilay mpanompony mazoto fony fahavelony. Izany no asa kanton’ilay fahavalo lehibe. Io fampianarana rehetra io dia naseho toy ny hoe avy tamin’ny apostoly, sy ireo olo-masina ary ireo ratsy fanahy efa maty, kanefa dia avy amin’ny fiandrianan’I Satana mivantana izany.HM58 66.3

    Izao zavatra izao dia tokony ho ampy mba hanesorana ilay rakotra eo amin’ny sain’ny tsirairay sy hahitana ireo asa maizin’I Satana, izay feno zava-miafina: satria ilay olona izay nitia azy fatratra sy nankahala loatra an’Andriamanitra, no indro ankehitriny miaraka amin’ireo apostoly masina sy ireo anjely be voninahitra sady miseho vatana milaza amin’izao tontolo izao sy ireo tsy mahatoky hoe: “Na ratsy fanahy ohatry ny inona aza ianareo; na mino an’Andriamanitra na ny Baiboly, na tsy mino; Miaina araka izay itiavanareo azy, tranonareo ny lanitra; satria ny rehetra mahalala fa raha any an-danitra I Thomas Paine, ary nasandratra tokoa; noho izany dia tsy maintsy ho tonga any koa izy ireo.” Diso loatra izany hevitra izany koa ny rehetra izay maniry hahalala dia afaka hahita izany. Eo am-panaovana izay nokasainy hatao nanomboka hatrany amin’ ny niandohan’ ny fahalavo any amin’ny alalan’ny fampiasana olona toa amin’I Thomas Paine I Satana ankehitriny. Amin’ny alalan’ny fahefany sy ireo fahagagany mandainga no anongotany an’ilay fototry ny fanantenana kristianina sy anafenany ny masoandro, izay manazava ny làlana tery mitondra mankany andanitra. Ataony izay hinoan’ an’izao tontolo izao fa tsy tsara kokoa noho ireo boky na tantara ny Baiboly sady tsy azo avy amin’ny tsindrimandryvoatsindrimandry, ary mandritra izany dia mamoaka zavatra hafa izy mba hasolony toerany an’izany hoe: “Ireo fampisehoan’ny fanahy.”HM58 66.4

    Ity no lalàna izay hampiraikitra tanteraka aminy, eo ambany fifehezany sy hahazoany mampino izao tontolo izao izay rehetra mahafinaritra azy. Fa raha ny amin’ilay boky izay natao mba hitsarana azy amin’ ny andro farany, ary koa sy ireo mpanaraka azy dia nampihatahina tao anaty aloka, toerana izay tiany hametsahana izany indrindra. Ataony tsy manana mihoatra noho ny olon-tsotra ny Mpamonjy izao tontolo izao. Dia toy izany koa ireo mpiambina romana izay niari-tory teo am-pasan’I Jesosy, nampiely fanambarana lainga sy diso izay napetrak’ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona teo am-bavany, dia tsy misy hafa amin’izany koa, hanerana an’ireo voafitaka sy mahantra mpanara-dia an’ireo fampisehoan’ny fanahy sandoka, ary hanandramany ny mba hisehoan’izany; fa tsy misy mahagaga mihitsy na dia kely aza ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ny nahafatesany ary ny nitsanganany; ary taorian’ny nanariany an’i Jesosy tany lavitra any, dia nisintona ny fitiavan’izao tontolo izao ho aminy izy ireo, ho amin’ireo fahagagana sy ireo famantarana mandainga izay lazain’ izy ireo fa mihoatra lavitra noho ireo asan’i Kristy. Noho izany dia ho tratra ao anaty fandrika izao tontolo izao ary voarotsirotsy ao amin’ny filaminana, dia izay tsy ahafahan’ireo miala raha tsy mahita ireo fitaka mahatsiravina izay ataon’izy ireo hatramin’ny firotsahan’ilay loza fito farany. Mihomehy I Satana mahita ny fahombiazan’ny planiny amin’ny fahatsarany ary latsaka ao anatin’ ny haratony izao tontolo izao.HM58 66.5

    Jereo Mpitoriteny 9:5 ; Jaona 11:1-45; 2Tesaloniana 2:9-12; Apokalypsy 13:3-14.HM58 66.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents