Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Ohatra Asehon’Andriamanitra

    Jesôsy Kristy, ilay Mpitsabo sady Mpitory lehibe, no môdely ho antsika. Voalaza fa i Jesôsy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’sinagôgan‘ny olona teo sy nitory ny filazantsaran‘ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin‘ny rofy rehetra tamin‘ny olona (Mat. 4:23) Ho Azy dia nifamatotra akaiky ny fanasitranana sy ny fampianarana. Andeha tsy hosarahintsika ireo zavatra roa ireo ankehitriny. - TFC, b. 3, t. 439.FK 187.3

    Tokony hanaraka ny ohatra nomen‘i Kristy ny mpanompony. Raha nifindrafindra toerana Jesosy, dia nampahery ny mijaly sy nanasitrana ny marary Izy. Rehefa izany dia nambarany tamin’izy ireo ny fahamarinana lehibe mikasika ny fanjakany. Izany no asa napetrany tamin’mpanaraka Azy. Rehefa manamaivana ny fahorian’vatana ianao, dia hahita lalana hiasana ho an‘ny fanirian’fanahy. - HF, tt. 200, 201.FK 187.4

    Ny ohatra nasehon‘i Kristy dia tsy maintsy alain’ireo mitonona ho mpianany tahaka. Ampio ireo malahelo. Ireo fiheverana mipetraka mialoha dia ho resin‘ny fankasitrahan‘izy ireo ka ho takatrareo ny fony. Omeo ny fandinihana sahaza azy izany lohahevitra izany. - TFC, b. 3, t. 413.FK 187.5

    Ireo mpitory amin’alalan‘ny fitsaboana dia tokony hampiseho amin‘ny fomba manokana amin‘ny toe-panahy sy amin‘ny teny ary amin’asa fa izy ireo dia mpianatr‘i Kristy izay Môdely avy amin’Andriamanitra ho an‘ny asa fitoriana amin‘ny alalan‘ny fitsaboana. - TFC, b. 7, t. 127.FK 188.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents