Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Abrahàma, Ohatra Mendrika Halain-Tahaka

    Tsy fizahan-toetra maivamaivana no natao tamin’i Abrahàma, na sorona kely ihany no notakina taminy. Nisy fatorana mahery vaika teo aminy sy ny fireneny, ny fianakaviany ary ny toeram- ponenany. Tsy nisalasala namaly ny antso natao taminy anefa izy. Tsy nametra-panontaniana akory izy mikasika ilay Tany Nampanantenaina - mahavokatra ve ny tany, mahasalama ve ny toetr’andro; mahafa-po ve ny manodidina rehetra, ka mety hahazoana tombontsoa hanangonan-karena. Niteny Andriamanitra ka tsy maintsy nankatò Azy ny mpanompony; aminy ny toerana mahasambatra indrindra eto an-tany, dia izay toerana tian’Andriamanitra hisy azy.FK 255.3

    Maro no mbola zahan-toetra tahaka an’i Abrahàma. Tsy mandre ny feon’Andriamanitra miresaka aminy mivantana avy any an-danitra izy, saingy amin’ny alalan’ny fampianarany ny Teniny sy ireo toe-java-mitranga avy amin’io fitantanany io no iantsoany azy ireo. Mety ho voatery handao ny asa mety hahazoany harena sy voninahitra izy ireo, handao tontolo mahafinaritra hahazoan-tombontsoa, ka ho tafasaraka amin’ny fianakaviana, ary hiditra amin’ny lalan’ny fandavan-tena sy ny fahantrana ary ny fihafiana. Manana asa hampanaovina azy ireo Andriamanitra; saingy hanakana ny fitomboan’ireo lafiny tena ilaina ho an’ny fanatanterahana izany ny fiainana feno fiadanana sy ny hery mahataona avy amin’ny namana sy ny fianakaviana. Miantso azy ireo handositra ny hery mahataona sy ny fiankinana amin’olombelona Izy, ka mitarika azy hahatsapa ny filàna ny fanampiany, ary ny fiankinana Aminy irery ihany, mba hanehoany ny Tenany aminy.FK 256.1

    Iza no vonona hamaly io antson’Andriamanitra io ka handao ireo fikasana maro nolalaina mbamin’ireo fatorana nahazatra? Iza no hanaiky adidy vaovao ka hiditra amin’ny saha tsy mbola niasana, ary hanao ny asan’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy feno fahavononana, ka hihevitra ny fatiantoka ho tombontsoa noho ny amin’i Kristy? Manana ny finoan’i Abrahàma izay hanao izany, ary hiara-mizara aminy ilay “voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay,” izay tsy tokony hoharina amin’ny “ Jahoriana amin’izao andro ankehitriny izao.” - PP, tt. 126, 127 .FK 256.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents