Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso Atao Amin’ny Fianakaviana Kristianina

    Aoka hanorim-ponenana any amin’ny tany foana ireo fianakaviana misiônera. Aoka ny mpamboly, ny mpitam-bola, ny mpanao trano, sy ireo izay havanana amin’ny zava-kanto sy ny taozavatra isan-karazany, handeha any amin’ny saha natao an-tsirambina, hanamaintimolaly ny tany, hanangona fanaovan-taozavatra, hanomana tokantrano tsotra ho an’ny tenany ary hanampy ny mpifanolo-bodirindrina aminy. - TMF, t. 155 .FK 258.1

    Miantso ny fianakaviana kristianina Andriamanitra mba handeha any amin’ireo fiarahamonina mbola ao anatin’ny haizina sy ny fahadisoan-kevitra, ka hiasa amim-pahendrena sy amim-paharetana ho an’ny Tompo. Mitaky fahafoizantena ny famaliana io antso io. Fanahy maro eo amin’izao tontolo izao no miala aina tsy misy fanantenana sy tsy misy an’Andriamanitra, mandritra izany anefa dia maro no miandry ny sakantsakana rehetra hiala. Maro dia maro tokoa ireo hanao vy very ny ainy ho any amin’ireo faritra feno loto sy aretimandringana, noho ny tombontsoa araka izao tontolo izao, sy ny fitrandrahana fahalalana ara-tsiansa. Vonon-kiharitra ny fahantrana sy ny fihafiana izy amin’izany. Aiza kosa ireo vonona hanao izany mba hilaza amin’ny hafa ny amin’ny Mpamonjy? Nankaiza ireo lehilahy sy vehivavy maniry ny hifindra monina any amin’ireo faritra mila ny filazantsara, ka hitondra an’ireo mbola ao amin’ny maizina ho eo amin’ny Mpanavotra? - TFC, b. 9, t. 33.FK 258.2

    Misy ireo fianakaviana iray manontolo no mety ho tonga misiônera, hiasa manokana, hiasa mafy ho an’ny Tompo amin’ny tanana be andraikitra sy ny saina feno zoto, hamolavola fomba fiasa vaovao mba hampahomby ny asany. - TFC, b. 9, t. 40.FK 259.1

    Asa lehibe no mety ho vita, raha toa ka misy ny fianakaviana manaiky hifindra monina any amin’ny toerana maizina eto ambonin’ ny tany, toerana izay misy vahoaka mbola voasaron’ny haizina ara-panahy, ka hamela ny fahazavan’ny fiainan’i Kristy hamirapiratra amin’ny alalany. Aoka izy ireo hanomboka ny asany amim-pahanginana, tsy misehoseho, tsy hiantehitra amin’ny tahirim-bolan’ny foibe ambara-pitatry ny asa ka ilàny ny fanampian’ny mpitandrina - TFC, b. 6, t. 442.FK 259.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents