Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Soa Fanararaotra Omen’ny Lanitra

    Misy olona an’arivony maro avy amin’ny firenen-tsamihafa, fiteny samihafa, ary vahoaka samihafa tsy manam-pahalalana sy minomino foana, tsy mahalala na inona na inona amin’ny Baiboly na ny fampianarany masina. Ny tanan’Andriamanitra no nitantana azy ireny ho any Amerika, mba hitondrana azy ireny ho eo ambany fahazavan’ny hery miafin’ny fahamarinana naseho tamin’ny Teniny, ka hahatonga azy ireo ho mpandray anjara amin’ny finoana Azy mahavonjy. - RH, 1 Mar. 1887.FK 281.1

    Nitondra olona ho ao am-baravarantsika, noho ny fitondrany Andriamanitra, ka manosika azy ireo ho tonga eo an-tsandrintsika, mba hahazoan’izy ireo hianatra ny fahamarinana, sy hahatonga azy ireo ho vonona hiasa eo amin’izay tsy ho azontsika atao hitondrana ny fahazavana any amin’ny fiteny hafa. - RH, 25 Jol. 1918.FK 281.2

    Noho ny fitondran’Andriamanitra no nahatonga ireo vahiny marobe ireo eto amintsika, mba hananan’izy ireo soa fanararaotra hihainoana ny tenin’ Andriamanitra ho an’izao vanim-potoana izao, ka hananany fiomanana izay hahavonona azy ireny hiverina any amin’ny taniny ho mpitondra ny fahazavana sarobidy avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. — PUR, 21 Apr. 1910 .FK 281.3

    Ho be tokoa ny tombontsoa azo ho an’ny asan’Andriamanitra any an-tany lavitra, raha misy ezaka mahatoky atao ho an’ireo vahiny monina any an-tanàn-dehibe aty amin’ny tanintsika. Ao anatin’ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia misy ho afaka ny hiasa any amin’ny mpiray tanindrazana aminy na eo amin’ny toerana misy antsika na any amin’ny tany hafa, rehefa nandray ny fahamarinana izy ireo. Maro amin’izy ireny no hiverina any amin’ny niaviany, feno fanantenana ny hahazo ireo namany ho amin’ny fahamarinana. Hikaroka ny havany sy ny mpiarabelona aminy izy ireo, ka hampita aminy ny fahalalana ny hafatry ny anjely fahatelo. - RH, 29 Okt. 1914.FK 282.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents