Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Rafitra Fanaovan-Tatitry Ny Lanitra

    Manao tatitra marina momba ny asa tsirairay ataon’ny olona ny anjely. - TFC, b. 1, t. 198.FK 311.2

    Ny asam-pitiavana rehetra, ny teny atao amim-pahalemempanahy rehetra, ny vavaka rehetra atao ho an’ny mijaly sy ny ampahorina, dia entina eo anoloan’ny seza fiandrianana mandrakizay, ka apetraka ao amin’ny tatitra maharitra mandrakizay. - TFC, b. 5, t. 133.FK 311.3

    (...) Misy tatitra entina any an-danitra momba ny ezaka rehetra nahomby nataontsika hampisava ny haizina sy hanaparitaka ny fahalalana an’i Kristy. Rehefa tantaraina eo anatrehan’ny Ray izany, dia mampientanentana ny tafiky ny lanitra manontolo ny fifaliana. - VM, t. 136 .FK 311.4

    Irahina hanampy antsika ny anjely. Mivezivezy mankany andanitra sy ety an-tany izy ireo, mampiakatra ny tatitra momba ny asan’ny zanak’olombelona. - SW, 2 Apr. 1903 .FK 312.1

    Tsara ny ahatsiarovan’izy ireny ny bokin’ny lanitra izay anoratana ny asa rehetra, dia ilay boky tsy ahitana fanadinoana na fahadisoana, fa amin’izany no hitsarana antsika amin’ny andro farany. Voasoratra ao avokoa ny fotoana very rehetra. Ao koa anefa no anoratana ny asa natao tamim-pinoana sy tamim-pitiavana rehetra ka hotsarovana mandrakizay. - MM, t. 524.FK 312.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents