Herin-Tsaina
Ny herin-tsaina dia izay ilaintsika sy tsy maintsy ananantsika hahatrarana izay takin’ny fotoana amin’ny maha-olona. - TFC, b. 4, t. 414.FK 315.1
Tsy tokony hanao ny asan’Andriamanitra velively tsy asiana fandaminana isika ary hanantena fahombiazana. Mila olona misaina sy mieritreritra ny Tompo. Mpiara-miasa tsy manao kitoatoa no tadiavin’i Jesôsy Mila olona mahitsy sy kinga saina Andriamanitra hanao asa lehibe ilaina ho famonjena ny fanahy. - TFC, b. 4, t. 67.FK 315.2
Misy olona sasany mila mifehy ny saina amin’ny fanazarana azy. Tokony hotereny hientreritra ny sainy. Raha toa miankina amin’ny olona iray hisaina ho azy izy, hamaha ny fahasahiranany, ka mandà hampieritreritra ny saina, dia hitohy ny tsy fahafahana hitadidy sy hitsinjo lavitra ary hanavaka. Tsy maintsy manao ezaka hitaizana ny saina ny tsirairay. - TFC, b. 2, t. 188.FK 315.3
Tsy irin’Andriamanitra isika hiaina ao amin’ny saina kamo sy tsy voafehy, amin’ny eritreritra manorisory, sy fitadidiana goragora. - CT, t. 506.FK 315.4
Tsy maintsy mitozo amin’ny fianarana, sy miezaka mafy amin’ny fanovozam-pahalalana, ary tsy mandanilany foana ny fotoanany ny olon’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanazarana maharitra no mety hahataitra ny hery mampiavaka maha-Kristianina ho lehilahy manankery sy mahasarika. - TFC, b. 4, t. 411.FK 315.5
(...) Aoka ny fotoana rehetra atao maty an-tsikinana. Fotoana kely etsy, fotoana kely eroa, izay mety ho very miparitadritaka foana amin’ny resaka tsy misy antony; ny ora lanilany foana eo am-pandriana raha vao maraina ; ny fotoana lany andehanana eny ambony fiara na ao anaty kalesin-dalamby, na eo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara; ny fotoana lany hiandrasana sakafo, hiandrasana ireo izay tsy tonga amin’ny fotoana nifanaovana raha nisy boky teo am-petalanana, ka nampiasaina ireny fotoana kely ireny hianarana, hamakianteny, na hieritreretana tsara, inona re no tsy nety ho vita! - HF, tt. 298, 299 .FK 315.6
Ny fikasana feno fanapahan-kevitra, ny fahazotoana feno fikirizana, sy ny fahaiza-mitsitsy fotoana amim-pitandremana no hahatonga ny olona ho afaka hahazo fahalalana sy fahaizamifehy tena ara-tsaina, ary izany dia ho tonga fahaizany mitana saiky ny toerana ambony rehetra sy ahitan-tsoa. - HF, t. 299.FK 316.1
Tokony handroso hatrany hatrany ny olona manana andraikitra ambony Tsy tokony hitoetra eo amin’ny fanandramana tranainy izy, sy hahatsapa fa tsy ilaina ny ho tonga mpiasa manao fikarohana. Ny lehilahy, na dia tsy mahavita tena indrindra amin’ny voarin’Andriamanitra tamin’ny tonga teto an-tany, sy manana toetra tena mpanohitra, dia tsy mandroso mandrakariva. Mety hampamirapiratra azy ny siansa, hampanan-kaja azy ny toetra mendrika, ka handroso ny fahamendrehany ara-tsaina sy ara-môraly, ambara-pahatrarany ny fahalalana tonga lafatra sy ny fahadiovan’ny toetra ambany kokoa noho ny fahatanterahana sy fahadiovan’ny anjely. - TFC, b. 4, t. 93.FK 316.2
Ary izay te ho mpiasa miaraka amin’Andriamanitra dia tsy maintsy miezaka hahatratra ny fahatanterahan’ny faritra rehetra eo amin’ny tenany sy ny toetry ny sainy. Ny fanabeazana marina dia fanomanana ny hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena hahavita ny adidy rehetra; fanazarana ny tena sy ny saina ary ny fanahy ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Io no fanabeazana izay haharitra hatramin’ny fiainana mandrakizay. — HF, tt. 285, 286 .FK 316.3
Mampianatra ny tenany ny mpahay milina, ny mpahay lalàna, ny mpivarotra, ny lehilahy mpandraharaha sy mpanao ny asa rehetra mba hahatonga azy ho mpifehy ny raharahany. Moa tokony ho olona tsy dia mahira-tsaina ve ny mpanaradia an’i Kristy, raha miaiky ampahibemaso hanompo Azy, ka tsy hahalala ireo fomba sy fitaovana tokony ho ampiasaina? Ambonin’ny fanajana rehetra ety ambonin’ny tany ny orin’asa fahazoana fiainana mandrakizay. Mba hitarihana ny fanahy eo amin’i Jesôsy dia tsy maintsy misy fahalalana ny maha-olona sy fianarana ny sain’olombelona. Mitaky fisainana amimpitandremana sy vavaka mafana ny fianarana ny fitarihana lehilahy sy vehivavy eo amin’ny fahamarinana lehibe. - TFC, b. 4, t. 67 .FK 317.1