Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahamendrehana Kristianina Sy Fahalalam-Pomba

    Ny tsy fahampian’ny tena fahamendrehana sy ny fahaizamiaina kristianina eo amin’ny laharan’ny mpitandrina ny Sabata dia manoloana antsika amin’ny maha-vahoaka manokana antsika ka mahatonga ny fahamarinana ekentsika ho tsy mendri-kaja. Ny asa fitaizana ny saina sy ny fomba dia tokony hohatsaraina ho amin’ny fahatanterahana. Raha tsy mampitombo ny tombontsoany sy ny fotoana mety mba hitomboany ho amin’ny fahafenoan’ny maha-lehilahy sy vehivavy ao amin’i Kristy ireo manaiky ny fahamarinana ankehitriny dia hanome voninahitra ny asan’Andriamanitra sy Kristy izy. - TFC, b. 4, tt. 358, 359 .FK 317.2

    Ataovy azo antoka ny fihazonana ny fahamendrehan’ny asa amin’ny alalan’ny fiainana voalamina tsara sy fifampiresahana araka an’Andriamanitra. Aza matahotra velively hanandratra ambony dia ambony ny faneva (...) Tsy maintsy esorina hiala amintsika ny tsy fahamendrehana sy ny kivalavala rehetra. Tsy maintsy ampirisihina ny fanajana, fahaiza-miaina, fahalalam- pomba kristianina. Miambena amin’ny tampoka sy tsy ampoizina. Aza heverina ho fahamendrehana ny zavatra hafahafa toy ireny; satria tsy mijery ireny Andriamanitra. Miezaha tsy hanafintohina amin’ny zavatra tsy misy antony. - RH, 25 Nôv. 1890.FK 317.3

    Misy zava-dehibe ilaina: ny lehilahy sy vehivavy izay mahalala ny sitrapon’Andriamanitra dia tokony hianatra ho tonga mpiasa mahomby eo amin’ny Asany. Tokony ho olon’ny filaminana, olon’ny fahazavan-tsaina, tsy hanana endrika ivelany mamitaka sy fihetsika miangotingoty araka izao tontolo izao, kanefa ny fahaiza-miaina sy ny tena fanajana izay avy amin’ny lanitra, dia ananan’ny Kristianina tsirairay raha mpiombona amin’ny fahamasinan’ny natiora izy. - TFC, b. 4, t. 358.FK 318.1

    Isika no manana ny fahamarinana lehibe indrindra sy ny fanantenana lehibe indrindra amin’izay nomena ity tontolontsika ity, sy ny finoana lehibe indrindra; ka irintsika ny haneho izany amin’izao tontolo izao araka ny toetrany ambony dia ambony Tsy faniriantsika ny haneho izany toetra izany fa toy ny hoe mandalo fotsiny eto amin’izao tontolo izao isika. Ka ampangain’izao tontolo izao satria miseho ho mino io fahamarinana sarobidy sy masina io kanefa irintsika ny handeha amim-panetren-tena miaraka amin’Andriamanitra, hitondra ny tenantsika ho toy ny zanaky ny Avo Indrindra, ka na dia fitaovana malemy aza dia manana ny foto-kevitra tena sarobidy sy mahaliana indrindra izay ambony sy misandratra kokoa noho ny foto-kevitra rehetra mandalo araka izao tontolo izao. - RH, 26 Jol. 1887.FK 318.2

    Mila fahamasinana sy fahamarinana ary fahazavan-tsaina, fahazotoana, hery, ary fahaizana mifandray ny mpiasa mpamonjy fanahy. Tsy tokony ho ambany ny lehilahy manana ireo toetra ireo; fa hanana hery miasa mangina hitarika amin’ny tsara kosa izy. - GW, t. 111.FK 318.3

    Tokony hiasa ireo lehilahy vonona hampianarina ny fomba tsara indrindra hanatonana olona sy fianakaviana. Tokony hilamina ny fitafiany kanefa tsy mirentirenty, ary tsy hamparikoriko ny olona ny fihetsiny. Misy faniriana lalina ny tena fahalalam-pomba eo amintsika amin’ny maha-vahoaka manokana antsika. Tokony hovolen’ny rehetra miditra antsehatra amin’ny asa misiônera izany. - TFC, b. 4, tt. 391, 392.FK 319.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents