Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hery Mahery Vaika

    Andriamanitra mazàna dia tsy manao fahagagana hampandrosoana ny fahamarinany. Raha nandà tsy hamboly ny tany ralehilahy dia tsy manao fahagagana hiterabokatra Andriamanitra. Miasa araka ny foto-kevi-dehibe nampahafantarina antsika Izy, ka anjarantsika ny manamasaka ireo drafitra natao tamim-pahendrena, sy hampiasa ireo fitaovana hanomezan’Andriamanitra vokatra azo antoka. Ireo tsy manao ezaka matotra, fa miandry fotsiny ny Fanahy Masina hiantso azy hiasa dia holevona ao amin’ny haizina. Tsy natao hipetra-potsiny tsy hanao na inona na inona ianao eo amin’ny asan’Andriamanitra. - SW, 1 Dec. 1903 .FK 320.3

    Misy olona sasany miditra amin’ny fanompoana misiônera no malemilemy, tsy mavitrika, tsy manam-panahy, ary mora kivy. Tsy ampy risi-po izy ireo. Tsy ananany ireo toetra tsara izay manome hery hoenti-manao asa — dia ny fanahy sy ny hery izay misy risi-po. Ireo izay hahazo fandresena dia tsy maintsy be herim-po sy manana fanantenana. Tsy tokony ho fahamarinana misoko mangina ihany no voleny fa fahamarinana miasa ihany koa. - GW, t. 290.FK 321.1

    Mila mpiasa hanandratra ny fandresen’ny hazo fijalian’i Kristy ny Tompo. - RH, 6 May 1890.FK 321.2

    Tsy natao hambara amin’ny fomba malefadefaka, tsy misy aina ny hafatra, fa amin’ny fomba mazava sy hentitra ary manaitra. - TFC, b. 8, t. 16.FK 321.3

    Tsy mpiteny manam-pahaizana amin’ny fandresen-dahatra no nilain’ Andriamanitra hizara ny Hafany. Tsy maintsy ambara araka izay tena heviny ny fahamarinana. Ilaina ny lehilahy miasa, dia lehilahy hiasa amim-piezahana, amin-kery tsy miato ho fanadiovana ny fiangonana sy ho fampitandremana izao tontolo izao. - TFC, b. 5, t. 187.FK 321.4

    Tsy mila olona kamo ho eo amin’ny Asany Andriamanitra; mpiasa misaina, malemy fanahy, be fitiavana, matotra no iriny. - TFC, b. 4, t. 411.FK 321.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents