Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fiainana Mandresy

    Tsy amin’alalan’fitoriana ny fahamarinana fotsiny ihany, tsy amin’alalan’fizarana ny pejy voasoratra irery ihany, no ijoroantsika ho vavolombelona ho an’Andriamanitra. Aoka hotsarovantsika fa ny fiainana manahaka an’i Kristy no fonjankevitra mahery indrindra izay azo aroso hiandany amin’fivavahana kristianina, ary io toetra kristianina maivamaivana io dia miasa hanimba kokoa eto amin’izao tontolo izao noho ny toetran’izao tontolo izao. - TFC, b. 9, t. 21.FK 34.2

    Tsy ny boky voasoratra rehetra no azo ampiasaina ho amin’fikasana hanana fiainana masina. Hino ny olona, tsy izay torin’mpitandrina, fa izay iainan’fiangonana. Matetika loatra ny hery miasa mangina avy amin’toriteny torina avy eny amin’polipitra dia toherin’toriteny izay torina eo amin’fiainan’ireo izay milaza ho mpisolovavan’fahamarinana. - TFC, b. 9,t. 21.FK 34.3

    Ny fiainan’i Kristy dia hery miasa mangina miha-mivelatra hatrany, tahaka ny onja eo amin’ranomasimbe, ka namatotra azy tamin’Andriamanitra sy tamin’fianakavian’olombelona manontolo. Amin’alalan’i Kristy, dia notafin’ Andriamanitra hery ny olombelona mba hahatonga azy ho tsy afaka ho velona ho an’tenany samirery. Isika tsirairay dia mifandray amin’mpiara-belona amintsika sy anisan’tontolo iainana lehibe ao amin’Andriamanitra, ary mijoro ho manana adidy ifanaovana. Tsy afaka hivelona misaraka amin’namany ny olona; satria ny mahasoa ny tsirairay dia mikasika ny hafa. Fikasan’Andriamanitra ny hahatsapan’tsiriairay fa ilaina izy hahasoa ny hafa sy hiezaka hampitombo ny fahasambaran’izy ireny. - HF, t. 294 .FK 35.1

    Tsy tokony hafenina ao anaty fonom-boky ny fivavahan’Baiboly, na ao anatin’rindrim-piangonana. Tsy tokony hampiasaina indraindray hahazoana tombontsoa izany, ary avy eo dia apetraka indray. Tokony hanamasina ny fiainana andavanandro izany, sy hiseho eo amin’asa aman-draharaha rehetra ary eo amin’fifandraisantsika eo amin’fiarahamonina. - IFM, t. 319 .FK 35.2

    Fikasan’Andriamanitra ny hanomezam-boninahitra ny Tenany eo amin’Vahoakany eo anoloan’izao tontolo izao. Antenainy ireo mitondra ny anaran’i Kristy mba haneho Azy amin’fisainana sy teny ary asa. Tokony hadio ny fisainany, ho mendrika sy hanandratra ny fiteniny, hisarika ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ny fivavahan’i Kristy dia natao ho toy ny voatenona amin’izay rehetra lazainy sy ataony. Ny fandraharahana ara-barotra rehetra dia ho fofona manitra amin’fanatrehan’Andriamanitra. - TFC, b. 9, t.21 .FK 35.3

    Aoka ny mpandraharaha hanao ny raharahany amin’fomba izay hanome voninahitra ny Tompony noho ny fahatokiany. Aoka izy ireo hitondra ny fivavahany amin’ireo zavatra rehetra ataony, ary haneho amin’olona ny Fanahin’i Kristy. Aoka ny mpanao asa tanana ho solontena mazoto sy malina ary mahatoky amin’Ilay niasa mafy tamin’asa tsotra teo amin’ny fiainana tao an-tanànan’i Jodia. Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’i Kristy hiasa toy izany koa ka amin’alalan’fahitana ny asany tsara dia ho voatarika ny olona hanome voninahitra ny Mpamorona sy Mpanavotra azy. - BE, 10 Jona 1901.FK 36.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents