Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mailaka

    Aoka ho mahatoky ry mpiantafika ka hampandroso ny fiderana an’Ilay efa niantso anao avy amin’ny fahaizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. - RH, 24 Jan. 1893.FK 342.3

    (...) Ny mpanompon’Andriamanitra dia tokony ho mailaka sy hitandrina fatratra ary ho vonona mandrakariva hiditra tsy tapaka eo amin’ny lalana izay sokafan’ny fitondran’Andriamanitra ho azy. Rehefa mety ho hataka andro ataony, dia manome an’i Satana fotoana hampidirana faharesena ho azy. — PM, t. 440.FK 342.4

    Ireo mpanompony mitandrina ny didiny no hijoro mandrakariva amin’ny fahavononana hanompo. - TFC, b. 8, t. 247.FK 342.5

    Ireo izay tena solontenan’i Kristy dia miasa hanasoa ny hafa. Mahafaly azy ny mampandroso ny asan’Andriamanitra eo amin’izay misy azy sy any ivelany. Hita sy re izy, ary tsapa ny hery mahataona avy aminy amin’ny fivoriam-bavaka. Hiezaka hanome toerana ho an’ny mpitory izy ireo, izay manao asa tsy azony atao. Tsy mikatsaka hanandratra ny tenany izy, na handray tombony noho ny asa lehibe atao, fa asam-panetrentena sy fietrena ary fahatokiana, asa kely na asa be no ataony, araka izay tokony ho izy, satria i Kristy efa nanao betsaka ho azy. - RH, 6 Sept. 1881.FK 343.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents