Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miala Sasatra Sy Mibanjina

    Nila nianatra niasa sy nitsahatra ny mpianatr’i Jesôsy. Ankehitriny dia izao no ilaina: mila mihaino ny baikon’i Kristy handeha sy hiala sasatra kely ny mpiasa voafidin’Andriamanitra. Fiainana sarobidy maro no natao sorona, izay tsy tokony ho toy izany, noho ny tsy fahalalana io baiko io (...) Na dia betsaka aza ny vokatra fa vitsy ny mpiasa, dia tsy misy na inona na inona azo amin’ny fanaovana sorona ny fahasalamana sy ny aina (...) Misy mpiasa maro malemy sy reraka izay mahatsapa fa kivy tanteraka rehefa mahita fa betsaka no tokony mbola hatao, ary kely ny vitany. Endrey ny faniriany hery ara-batana hanaovany bebe kokoa; kanefa ho amin’io sokajy io indrindra no ilazan’i Jesôsy hoe: “ Avia hitokana any an-tany foana ka hiala sasatra kely. ” - RH, 7 Nov. 1893.FK 349.2

    Tsy natao ho feno asa tsy misy fitsaharany, na fieritreretana mandrakariva ny fiainan’ny Kristianina. Tsy maintsy miasa sy miezaka fatratra hamonjy ny very ny Kristianina, ka tsy maintsy manokam-potoana hibanjinana, hivavahana, sy hianarana ny tenin’Andriamanitra. Tsy natao hiasa sy hiahiahy mandrakariva izy, satria raha toy izany dia atao tsinontsinona ny fitiavam-bavaky ny tena manokana, ka simba ny herintsaina sy ny herim-batana. - RH, 7 Nôv. 1893.FK 350.1

    Ireo rehetra izay tarihin’Andriamanitra dia mila ora tony ahazoany mifandray amin’ny fony, amin’ny zavaboary ary amin’Andriamanitra. Tokony hisongadina eo anoloan’ireo ny fiainana izay tsy mifandray tendro amin’izao tontolo izao, amin’ny fombany na amin’ny fanaony, ary ilainy ny hanao fanandramana manokana ny amin’ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy maintsy ny tenantsika manokana no mandre Azy miteny amin’ny fo. Rehefa mangina ny feo hafa rehetra, ka miandry eo anatrehany amim-pahatoniana isika, dia hampahazava ny feon’Andriamanitra ny fahanginan’ny fanahy. Izao no baikony amintsika: “ Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” - Sal 46:10. Io no tena fiomanana mahomby amin’ny asan’Andriamanitra. Eo anivon’ny vahoaka miolomay, eo amin’ny fiainana mirimorimo noho ny asa be eo aminy; izay manavao ny heriny toy izany dia ho voahodidin’ny rivo-piainana feno fahazavana sy fiadanana. Handray hery vaovao na eo amin’ny ara-nofo na eo amin’ny ara-panahy izy. Ho hanitra mamerovero ny fiainany ka hampiseho ny herin’Andriamanitra izay hahatratra ny fon’ny olona. TMF, tt. 36, 37.FK 350.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents