Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fahavononan’Andriamanitra Handrotsa-Pitahiana

    (...) Vonona ny hanome ny Fanahy Masina amin’izay manompo Azy ny Tompo, mihoatra ny fanirian’ny ray amandreny hanome zava-tsoa ho an’ny zanany (...) - VM, t. 46FK 353.1

    Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, amin’ny alahelo rehetra sy amin’ny fahoriana rehetra, rehefa toa maizina ny fanombantombanana ny ampitso ka mahavery hevitra ny hoavy, ary rehefa mahatsapa ho malemy sy irery isika, dia nalefa ny Mpananatra ho valin’ny fivavahan’ny finoana. Mety mampisaraka antsika amin’ny sakaiza eto an-tany ny toe-javatra, nefa tsy misy elanelantany afaka mampisaraka antsika amin’Ilay Mpanavotra avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, dia eo ankavanantsika mandrakariva Izy hanampy, hanohana, hihazona sy hamalifaly. — IFM, t. 722.FK 353.2

    Isa-maraina isa-maraina, raha mandohalika eo anatrehan’ny Tompo ireo mpitondra hafatry ny filazantsara ka manavao ny voadin’ ny fanoloran-tenany, dia homeny azy ny fanatrehan’ny Fanahiny amin’ny hery mamelombelona sy manamasina. Rehefa mandeha hanao ny andraikiny isan’andro izy, dia manana toky fa ny herin’ilay Iraka tsy hita maso dia mahatonga azy ho “ mpiara-miasa amin’Andriamanitra”. - VM, tt. 50,51.FK 353.3

    Miaina amin’ny andron’ny herin’ny Fanahy Masina isika ankehitriny. Manao izay hielezany amin’ny alalan’ireo iraka itoerany Izy [ny Fanahy Masina], ka mampitombo ny heriny miasa mangina eo amin’izao tontolo izao. — SW, 03 Nôv. 1903.FK 353.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents