Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Zava-Dehibe Mitondra Fahombiazana

    Ny fanatrehan’ny Fanahy eo amin’ny mpiasan’Andriamanitra dia hanome hery ny fitoriana ny fahamarinana izay tsy hain’ny voninahitra na ny laza eo amin’izao tontolo izao omena. — VM, t. 46.FK 356.1

    Tsy maniraka antsika velively hamita ny asa ampanaovina antsika amin’ny herin’ny tenantsika Andriamanitra. Efa nanome antsika ny fanampiany Izy manoloana ny zava-tsarotra rehetra izay tsy mampitovy ny hery maha-olombelona antsika. Omeny antsika ny Fanahy Masina hanampy antsika amin’ny fotoan-tsarotra rehetra, hampahatanjaka ny fanantenana sy ny fahatokiantsika, hanazava ny saintsika ary hanadio ny fontsika. — SW, 01 Aog. 1905 .FK 356.2

    (...) Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, dia feno ny fitiavana Azy indrindra sy ny fitiavana an’ireo izay nahafatesany ny mpianatra, hany ka nanohina ny fo ny teny nataony sy ny vavaka nasandrany. Niteny tamin’ny herin’ny Fanahy Masina izy, ka noho ny asa mangina avy amin’izany hery izany, dia an’arivony no voaova fo. — VM, t. 21 .FK 356.3

    Tsy misy fetrany ny soa avy amin’ny olona izay mampiantrano ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pony, sy miaina fiainana feno fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra. - SW. 01 Aog. 1905.FK 356.4

    Inona no vokatry ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Pentekôsta? Niely hatrany amin’ny sisin-tany farany tamin’ny toerana fantatra ny vaovao mahafaly momba Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Manoloana ireo asa dia nampiana olom-boafidy teo amin’ny fiangonana — olona izay nandray ny tenin’ny fiainana sy nanolotra ny fiainany ho amin’ny asa fanomezana ny hafa fanantenana mitondra fiadanana sy fifaliana feno ho an’ny fony. An-jatony ireo nitory ny hafatra hoe: “Amintsika izao ny fanjakan’Andriamanitra!”. Tsy nanantahotra no sady tsy voasakan’ireo fampitahorana intsony izy ireo. Niteny tamin’ny alalany ny Tompo, ary tamin’izay rehetra nalehany dia sitrana ny marary ary nahazo ny filazantsara notorina taminy ny mahantra. Toy izany ny halehiben’ny herin’ny asan’Andriamanitra rehefa manolotra ny tenany ho eo ambany fifehezan’ny Fanahy ny olona. — SW, 01 Aog. 1905.FK 357.1

    Ain’ny fiainana ara-panahy ao amin’ny fanahy ny Fanahy Masina. Fizaràna ny fiainan’i Kristy ny fizaràna ny Fanahy. Mamonto ny mandray izany amin’ny toetra mampiavaka an’i Kristy izany. Izay nampianarin’Andriamanitra toy izany ihany, izay manana ny asan’ny Fanahy ao anatiny ihany, ary ao amin’izay anehoana ny fiainan’i Kristy ihany, ireo ihany no mendrika hijoro hampiseho ny fiangonana sy hiasa hanabe voa azy. - IFM, t. 862.FK 357.2

    Fiovana manokana sy haingana no hiseho, ary ny vahoakan’Andriamanitra ho feno ny Fanahy Masina, mba hiatrehany amin’ny fahendrena avy any an-danitra ny zavatsarotra ankehitriny, sy hanafoanana araka izay azo atao ny fanao feno faharatsiana eto amin’ity tany ity. Raha tsy resintory ny fiangonana, raha mivavaka sy miambina hatrany ny mpanaraka an’i Kristy, dia hanana fanilo hanazava sy hampahafantatra azy ny fihetsiky ny fahavalo izy. — TFC, b. 6, t. 436.FK 357.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents