Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Mialoha

    Ny faniriana hametraka eo am-pelatanan‘ny mpiasa kristianina rehetra, ny toro lalana manokana mikasika ny ilàna ny mahazava-dehibe ny fomba fiasa sy ny valisoan‘ny asa misiônera aminkafanam-po sy fanoloran-tena, izany no nitarika ny fandinihana lalina ireo asasoratra avy amin‘ny tsindrimandry, ka izay [no] niteraka ny fanakambanana ireo [an-dalan-teny ireo] hanana endrika mora ampiasaina, ho ato amin‘ity [boky ity], koa rariny raha antsoina hoe Rakipahalalana (encyclopédie) momba ny fanompoana kristianina.FK 7.1

    Tsy azo lazaina mihitsy fa ireto takila manaraka ireto ihany no miakitra nv hevitra notsongaina avy amin’asasoratry ny Fanahin‘ny Faminaniana mikasika ny lohahevitra midadasiky ny fanompoana kristianina, fa manokatra lalana azo antoka fotsiny ho any amin‘ireo harena ambanin‘ny tany be dia be hotrandrahana ireto, izay hahafahan‘ny mpiasa kristianina mandeha lalindalina kokoa eo amin‘ny lalamben’fahamarinana mikasika ny siansan’fahazoam-panahy.FK 7.2

    Tamin’fisafidianana avy amin‘ireo loharanom-baovao maro isan-karazany, dia notandremana fatratra ny hiarovana ny tena hevitra asehon’mpanoratra marina. Antenaina fa hanana ny tombambidiny ho an‘ny Mpitandrina sy ny mpitarika amin’sehatra rehetra ao amin’asan‘ny fiangonana ny fisafidianana natao, ary hankasitrahin’lehilahy sy vehivavy rehetra izay nokasihin’Fanahin’ilay Misiônera Lehibe ny fony, sy izay «mahay mamantatra tsara izay fotoana mety ka nakalala izay tokony hataon’ny Isiraely” - 1 Tant. 12:32.FK 7.3

    Fankasitrahana feno no atao ho an‘ny Mpitantsoratry ny Departemantan’Asa Fitoriana ao amin’Foibe Manerantany, sy ireo mpiasa kristianina hafa noho ny fanampiana sarobidy tamin’famakiana sy fanamarihana ireo boky samihafa nanangonana lahatsoratra hanaovana ity boky ity, ireo toro hevitra sy fankasitrahana tamin-kitsim-po dia tena nidika ho zava-dehibe tokoa tamin‘ny famitana sy fanatanterahana ny asa.FK 7.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents