Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso Ho An’ny Tsiraitay

    Asa iray miavaka tsara no voatendry ho an’Kristianina tsirairay avy. - SW, 2 Aog. 1904.FK 11.2

    Takin’Andriamanitra ny olona rehetra mba ho mpiasa ao amin‘ny Tanimboalobony. Natao hitondra ny asa izay napetraka ho andraikitrao ianao, ary hanao izany amimpahatokiana. - BE, 10 Jona 1901.FK 11.3

    Raha ianareo rehetra no misiônera velona, dia ho voatory haingana any amin’firenena rehetra sy ny olona rehetra ary ny samy hafa fiteny rehetra, ny hafatra ho amin‘izao fotoana izao. -TFC, b. 6, t. 438.FK 11.4

    Teraka ao amin‘ny fanjakan’Andriamanitra mba ho misiônera ny tena mpianatra marina rehetra. Manjary loharanon‘aina izay misotro ny rano velona. Manjary mpanome ny mpandray. Ny fahasoavan‘i Kristy ao amin’fanahy dia tahaka ny loharano any an‘efitra, izay miboiboika mba hampangatsiakatsiaka ny rehetra sy hahatonga ireo izay efa ho faty hazoto hisotro ny ranon’aina. - IFM, t. 193.FK 11.5

    Manantena fanompoana ataon‘ny tena manokana avy amin’olona rehetra izay nanankinany ny fahalalana ny fahamarinana amin’izao fotoana izao Andriamanitra. Tsy ny rehetra no afaka handeha ho misiônera any amin’firenena hafa any ivelany, kanefa ny rehetra dia afaka ny hanao asa Misiônera ao amin’fianakaviany sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy. - TFC, b. 9, t. 30.FK 11.6

    Nijoro dingana vitsivitsy miala avy eo amin’seza fiandrianana any an-danitra i Kristy rehefa nanome ny Iraka nampanaoviny ny Mpianany. Tafiditra ho anisan’misiônera ireo rehetra mino ny Anarany, hoy Izy: « Koa mandehana hianareo any amin’izao tontolo izao, ary mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ». Natao hiaraka amin’izy ireo ny Herin’Andriamanitra. - SW, 20 Sept 1904.FK 12.1

    Ny hamonjy fanahy no tokony ho asam-piainan’ireo rehetra izay milaza ho manaiky an’i Kristy. Ananan’izao tontolo izao trosa isika noho ny fahasoavana izay nomen’Andriamanitra antsika, noho ny fahazavana izay nampamirampiratina teo amintsika, ary noho ny fahitana ny hatsaran’fahamarinana sy ny heriny. - TFC, b. 4, t. 53.FK 12.2

    Ombieny ombieny dia misy fironana hanolo toerana ny fiezahana ataon’tsirairay amin’asa itambarana ankehitriny. Tian’olona ny fampivondronana amin’toerana iray, ny fanorenana ny trano fiangonana miezinezina sy orin’asa goavana sy matanjaka. Dia avelan’maro hosahanin’ireny ny asa fanaovan-tsoa; ka manala tsiny ny tenany izy tsy hifampikasoka amin’izao tontolo izao, ary indro fa mihamangatsiaka ny fony. Manjary vanana amin’tenany samirery izy ka tsy mba mangoraka ny hafa intsony. Maty tsy ho ao amin’fanahiny ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavana ny olona. Ny asa ankinin’i Kristy amin’mpanaraka azy dia asa voafaritra hataon’tena manokana, asa izay tsy azo ampanaovina olon-kafa nomena alalana manokana hanao izany ho solon’tena. Ny fanomezana ho an’marary sy ny mahantra izay ilainy, ny fitondrana ny filazantsara ho an’very, dia tsy azo avela ho an’kômity na ny fikambanana mpanao asa soa. Andraikitra raisin’tena manokana, fahafoizan-tena ataon’tena manokana. Izany no zavatra takin’filazantsara. - TMF, t. 89,90.FK 12.3

    Izay rehetra nahazo fanazavana avy amin’Andriamanitra dia tokony hampamirapiratra ny lalan’ireo izay tsy mahalala ny Fahazavan’aina. - IFM, t. 147.FK 13.1

    Nomena ny olona rehetra ny asa, ary tsy misy na dia iray aza afaka hisolo ny an’hafa. Ny tsirairay dia manana asa nampanaovina azy izay manana ny lanjany tokoa, izay tsy azo atao an-tsirambina na hodian-tsy hita, mitondra fahasambarana ho an’fanahy sasany izay manatanteraka azy izany, ary loza ho an’anankiray izay nahafatesan’i Kristy ny fanaovana an-tsirambina izany. RH, 12 Des. 1893.FK 13.2

    Tokony ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika rehetra. Tsy misy olona mitomoe-poana azo ekena ho Mpanompony. Ny tsirairay amin’mambran’fiangonana dia tokony hahatsapa fa voakasiky ny fomba fiainan’izy ireo ny fiainana sy ny fanambinan’fiangonana - RH, 15 Feb. 1887.FK 13.3

    Ny fanahy rehetra izay novonjen’i Kristy dia antsoina hiasa amin’Anarany ho amin’famonjena ny very. Io asa io no natao an-tsirambina tao amin’Isiraely. Moa ve tsy ataon’ireo izay milaza ny tenany ho mpanaraka an’i Kristy an-tsirambina izany koa? - HF, t. 159.FK 13.4

    Misy zavatra izay ataon’olona rehetra. Ny fanahy rehetra izay mino ny fahamarinana dia natao hijoro eo amin’anjarany sy ny toerany, miteny hoe: «Inty aho; Irabo aho” -Isa. 6:8. - TFC, b. 6, t. 49.FK 13.5

    Tombontsoa ho an’Kristianina tsirairay ny tsy manantena fotsiny fa ny mampahafaingana indrindra koa ny fiavian’i Jesôsy Kristy Tompontsika (2 Pet 3:12) - HF, t. 48.FK 13.6

    Izay tonga zanak’Andriamanitra dia tokony hihevitra ny tenany amin’izao sisa izao ho toy ny masom-by eo amin’rojo izay nampidinina hamonjy izao tontolo izao, ho irayFK 13.7

    amin’i Kristy eo amin’drafitry ny famindrampo ka handeha hiaraka aminy hitady sy hamonjy ny very. - TMF, t. 61.FK 13.8

    Mety hahita hatao ny rehetra. Aoka tsy hisy hisaina fa tsy misy toerana izay ahazoany miasa ho an’i Kristy. Ny Mpamonjy dia nampitovy mihitsy ny tenany tamin’zanaky ny olombelona tsirairay. - TMF, t. 73.FK 14.1

    Ireo izay niray tamin’Tompo amin’faneken’fanompoana dia eo ambany famatoran’firaisana Aminy ho amin’asa lehiben’famonjem-panahy. - TFC, b. 7, t. 19.FK 14.2

    Midadasika ny saha, mazava ny zavatra atao, koa ny fo nohamasinina rehetra dia ho voatosika ho amin’fanompoana ho toy ny fitaovan’herin’Andriamanitra. - TFC, b. 9, t. 47.FK 14.3

    Fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra ny olombelona, ampiasainy hanatanteraka ny fikasany feno fahasoavana sy famindrampo. Samy manana ny anjara asany ny tsirairay; samy mandray fatra-pahazavana mifanaraka amin’izay ilain’fotoan’andro misy azy, ary ampy hahazoany manatanteraka ny asa izay nomen’Andriamanitra hataony. - HM, t. 357.FK 14.4

    Efa ela Andriamanitra no niandry ny hanjakan’toe-tsaina vonona hanompo amin’fiangonana manontolo, ka hiasa ho azy araka ny fahaizany avy ny tsirairay. - VM, t. 99.FK 14.5

    Rehefa naniraka ny Roa ambin’folo lahy Izy, ary taty aoriana ny Fitopolo lahy, mba hitory ny fanjakan’ Andriamanitra, dia nampianariny azy ny adidiny hizara amin’hafa izay efa nampahafantariny azy. Teo amin’asany rehetra dia nanazatra azy hanao asa ho an’tenany manokana Izy, izay hitatra araka ny fitomboan’isany ary hahatratra mihitsy hatramin’toerana lavitra indrindra eto an-tany aza. - VM, t. 30.FK 14.6

    Tsy ny mpitandrina voahosotra ihany no ipetrahan’andraikitra handeha hanatanteraka io baiko io. Izay rehetra nandray an’i Kristy dia antsoina hiasa ho famonjena ny mpiara-belona aminy. - VM, t. 98.FK 15.1

    Ny tena toetran’fiangonana dia refesina tsy amin’fanekem-pinoana avo ataony, na amin’alalan’anarana izay voasoratra ao amin’bokim-piangonana, fa amin’alalan’izay tena ataony marina ho an’Tompo, amin’alalan’isan’ireo mpiasa mahatoky sy manana faharetana. Fahalianan’tena manokana sy fiambenana ary ezaka ataon’tsirairay no hahavitana bebe kokoa amin’asan’i Kristy noho izay ho vitan’toriteny sy fanekem-pinoana. - RH, 06 Sept. 1881.FK 15.2

    Na aiza na aiza misy fiangonana mijoro, ny mambra rehetra dia tokony hirotsaka an-tsehatra amim-pahavitrihana amin’asa misiônera. Tokony hamangy ireo fianakaviana rehetra eo amin’manodidina, ary hahafantatra ny toetrany ara-panahy. - TFC, b. 6, t. 296.FK 15.3

    Tsy ny mambran’fiangonana rehetra no antsoina hiasa any amin’firenena any ivelany, kanefa ny rehetra dia manana anjara ny hanao zavatra ao amin’asa lehiben’fanomezana ny fahazavana ho an’izao tontolo izao. Ny filazantsaran’i Kristy dia tsy maintsy hanafika sy hiparitaka. Amin’andron’i Jehôvah, tsy hisy na dia iray aza ho afa-tsiny noho ny nanidiany ny tenany tao amin’fitiavan-tena. Misy asa ho an’saina rehetra sy ny tanana rehetra. Misy asa maro isan-karazany, namboarina hifanaraka amin’saina samihafa sy fahaiza-manao isankarazany. - HS, t. 291.FK 15.4

    Nanankinany fahamarinana masina ianao; Kristy mitoetra ao am-pon’mambran’fiangonana tsirairay dia loharano miboiboika ho amin’fiainana mandrakizay. Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ianao raha tsy manao ny ezaka rehetra azo atao hizaràna izany rano velona izany amin’hafa. - HS, t. 291.FK 15.5

    Amin’maha-kristianina antsika, dia tsy manao ny ampaharoapolon’izay tokony hataontsika isika amin’fahazoam-panahy ho an’i Kristy. Misy tontolo izay tokony hampitandremana, ary ny Kristianina mahitsy fo rehetra no ho mpitari-dalana sy ho ohatra ho an’hafa amin’fahatokiana, amin’fitondrana ny hazo fijaliana, amin’asa vonona sy mailaka ary mahery vaika, amin’fahatokiana tsy azo hozongozonina amin’asan’fahamarinana, ary amin’fandavan-tena sy asa mafy mba hampiroboroboana ny asan’Andriamanitra. - RH, 23 Aog. 1881.FK 16.1

    Na betsaka manao ahoana ny fitaran’tombontsoa nomena azy, ny olona rehetra izay nandray ny fahazavan’fahamarinana dia eo ambanin’andraikitra mitovy amin’an’ilay mpaminanin’Isiraely izay nomena ny teny hoe: «Koa hianao ry zanak ‘olona, dia efa notendreko ho mpitily eo amin ‘ny taranak ‘Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako hianao dia izany no teny entinao mananatra azy” - TFC, b. 9, tt. 19,20.FK 16.2

    Izay rehetra manjary mpiray amin’fahasoavana dia voatendrin’Tompo hiasa ho an’hafa. Isika tsirairay no tokony hijoro eo amin’anjara toerantsika ka hanao hoe: «Inty aho, iraho aho” - Isa. 6:8. Mipetraka amin’rehetra ny andraikitra: eo amin’mpitoriteny, ny misiônera mpitsabo, na mpivarotra, na mpamboly, na ampiasain’hafa izy na mpanao asa tanana. Adidintsika ny hanambara ny filazantsara amin’olona mba ho famonjena azy. Ny raharaha sahanintsika rehetra dia tokony hampiasaintsika ho amin’izany tanjona izany. TMF, t. 90.FK 16.3

    Rehefa miantsony mpanompony ny tompon-trano, dianomeny ny olona rehetra ny asany. Ny ankohonan’Andriamanitra manontolo dia tafiditra ao amin’andraikitra amin’ny fampiasana ny fananan‘ny Tompo. Ny tsirairay avy, hatrany amin’ambany indrindra sy ny maizina indrindra mankany amin‘ny lehibe indrindra sy ny ambony indrindra, dia olona nomena fahafaha-manao izay hampamoahin’Andriamanitra. - BE, 10 Jona 1901.FK 16.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents