Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Asa Fanompoana Amin’ny Alalan’ny Hira

    Ireo mpianatra izay nianatra ny hihira ara-pilazantsara amin‘ny fomba miavaka tsara sy feon-kira mamelovelo dia afaka manao zava-tsoa lehibe amin‘ny maha-mpihira evanjelisitra azy ireo. Hahita tombontsoa azo hararaotina hampiasana ny talenta nomen’Andriamanitra azy ireo izy amin‘ny fitondrana feonkira sy tara-masoandro any amin’toerana manirery maro maloky ny alahelo sy ny fahoriana, mihira ho an’ireo izay mahalana no manana tombontsoa mankany am-piangonana.FK 93.1

    Ry mpianatra, mandehana mivoaka eny amin‘ny lalankely sy ny arabe. Ezaho ny hahatratra ireo kilasy ambony ary koa ny kilasy ambany. Midira ao an-tokantranon‘ny mpanan-karena ary koa ny an‘ny mahantra, araka izay fotoana mety azo hararaotina, angataho hoe: «Moa sitrakareo ve ny hihiranay hira ara-pilazantsara? Rehefa nohalefahina ny fo, dia mety hisokatra ho anao ny lalana izay hahafahanao manolotra tonom-bavaka fohy ho fitahian’Andriamanitra. Tsy maro no handà ny hihaino. Tena asa misiônera marina tokoa izany asa fanompoana izany. - CTFC, tt. 547, 548.FK 93.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents