Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanekem-Pinoana Sa Fanehoana Ny Finoana

    Ny fahamarinana manan-danja rehetra noraisina ho ao ampo dia tsy maintsy miseho eo amin‘ny fiainana. Araka ny fitiavan’i Kristy noraisin‘ny olona no aniriany hanambara ny herin‘izany fitiavana izany amin‘ny hafa; ary izay fanambarana ny fitiavan’i Kristy izay indrindra no mahatonga ny tombambidiny hihalalina sy hihamafy ho an’fanahin’izy ireo. - RH, 19 Feb. 1889.FK 133.2

    Tokony hamokatra asa tsara be dia be ny finoantsika, satria maty ny finoana tsy misy asa. - TFC, b. 4, t. 145.FK 134.1

    Izay rehetra mandray ny hafatry ny filazantsara ao am-pony dia haniry indrindra hitory izany Ny fitiavan’i Kristy, nateraka avy any an-danitra dia tsy maintsy mahita izay hisehoany. - HF, t. 101.FK 134.2

    Tokony hidera an’ Andriamanitra isika amin’ fanompoana azo tsapain-tanana, amin’fanaovana izay azontsika atao hampandroso ny voninahitry ny Anarany. - HF, t. 260 .FK 134.3

    Amin’izao fotoana izao ny finoantsika dia tsy tokony hijanona ho fanekena na finoana fe finoana fotsiny ny fahalalana ara-tsaina ny hafatry ny anjely fahatelo. Tsy maintsy manana ny soliky ny fahasoavan’i Kristy izay hamatsiana ny fanilo isika, ka hahatonga ny fahazavan’aina hamiratra, maneho ny lalan-kizorana amin’ireo izay ao anatin’haizina. - TFC, b. 9, t. 155.FK 134.4

    Ny herinao sy ny fitahianao ara-panahy dia ho araka ny asampitiavana sy ny asa tsara ataonao. - TFC, b. 3, t. 526.FK 134.5

    Ho be lavitra ny zavatra mety ho vita ho an’i Kristy raha toa ka manatanteraka ny fahamarinana eo amin’asany ireo rehetra manana ny fahazavan’fahamarinana. - TFC, b. 9, t. 40.FK 134.6

    Naseho ahy fa misy zavatra tsy ampy eo amintsika, amin’ ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika. Tsy mifanaraka amin’finoantsika ny asantsika. Ny finoantsika dia maneho fa velona amin’fotoana fitoriana ny hafatra manetriketrika indrindra sy lehibe indrindra nomena ny olombelona mety maty isika. Kanefa eo anatrehan‘izany ny ezaka sy ny hafanam-po ary ny fanahin‘ny fahafoizan-tena asehontsika, dia tsy mifanahantsahana akory amin’toetr‘ilay asa. Tokony ho tonga saina hiala avy amin’maty isika, dia hanome aina antsika i Kristy. - TFC, b. 2, t. 114 .FK 134.7

    Mandehana amim-pinoana, ka torio, toy ny hoe ninoanao, ny fahamarinana. Aoka ho hitan‘ireo izay iasanao fa tena zavamisy ho anao tokoa izany. - TFC, b. 9, t. 42.FK 135.1

    Ny fiainana mitovy amin’an‘i Kristy no porofo mahery vaika indrindra azo aroso ho an‘ny fivavahana kristianina. - TFC, b. 9, t. 21.FK 135.2

    Maro no mitonona anarana ho Kristianina kanefa ny fony tsy mirotsaka ao amin‘ny asa fanompoana Azy akory. Lamba isaloran‘izy ireo fotsiny ny fisehoana ho manana ny toe-panahy araka an Andriamanitra, ka izany fihetsiny izany indrindra no mahatonga ny fanamelohana azy ireo ho lehibe kokoa, ary mahatonga azy ireo ho irak‘i Satana mamitaka kokoa sy mahomby kokoa eo amin’famerezana fanahy. - RH, 27 Mar. 1888.FK 135.3

    Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin’fankatoavana ny fahamarinana. Akambany amin‘ny fiambenana mailo ny asa amin-kafanam-po. Satria fantany fa eo am-baravarana ny Tompo, dia mihamatanjaka ny zotom-pony hiaramiasa amin’anjelin ‘ny lanitra eo amin ‘ny famonjena ny fanahy. Ireo no mpanompo mahatoky sy hendry izay manome ny ankohonan ‘ny Tompo ‘ny anjara hanina amin ny fotoana’ — Lio. 12:37,42. Manambara ny fahamarinana izay azo ampiharina ankehitriny izy. To an‘i Enoka, Noa, Abrahama sy Mosesy, izay samy nanambara ny fahamarinana tamin‘ny androny avy, toy izany koa ny mpanompon’i Kristy ankehitriny, mitondra fampitandremana manokana ho an‘ny taranaka misy azy izy. - IFM, t. 681.FK 135.4

    Tsy miankina amin‘ny habetsahan‘ny fahazavana noraisintsika ny fijoroantsika eo anatrehan‘Andriamanitra, fa amin‘ny fampiasantsika izany fahazavana izany. Noho izany, na dia ny jentilisa aza izay nifidy ny tsara araka izay farany ahazoany mahafantatra Azy, dia eo aminy ny toerana tsaratsara kokoa noho ireo izay efa nanana fahazavana lehibe ka milaza ny tenany ho manompo an’Andriamanitra, nefa manao jery vilana ny fahazavana sy manohitra izay lazainy eo amin‘ny fiainany andavanandro. - IFM, t. 240.FK 136.1

    Tombontsoa ho an‘ny Kristiana tsirairay ny tsy manantena fotsiny fa «ny mampahafaingana indrindra km ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika”. (2 Pet. 3:12). Raha mba mitondra voa ho voninahitr’ Andriamanitra mantsy izay rehetra manaiky ny anarany dia hanao ahoana ny hahafaingana ny hahavoafafy an‘izao tontolo izao manontolo amin‘ny voan‘ny Filazantsara ka vetivety dia ho masaka ilay vokatra lehibe sady farany, ary ho avy Kristy hanangona ny voa sarobidy. - HF, t. 48.FK 136.2

    Tokony hitsangana ny Kristianina ka handray an-tanana ireo adidiny nataony an-tsirambina; satria miankina amin‘ny ezaka ataon‘izy ireo isam-batan‘olona ny famonjena ny fanahin‘izy ireo. - RH, 23 Aog. 1881.FK 136.3

    Ny fiarahana miasa amin‘i Kristy no tena fivavahana marina. Voa mora vidy, izay matetika mifatotra miaraka, ny vavaka sy ny fampirisihana ary ny resaka; fa ny voa aseho amin‘ny alalan‘ny asa tsara, ny fikarakarana ireo sahirana, ireo kamboty ray, ireo mpitondratena, no voa tena izy, izay vokatra ho azy eo amin‘ny hazo tsara. - RH, 16 Aog. 1881.FK 136.4

    Aoka ny mambran‘ny fiangonana tsirairay samy handray an-tanana ny asa voatendry hataony, sady manely no mandray hazavana. Tsy misy afa-tsiny fa midonana-poana ao antanimboaloboky ny Tompo. - RH, 19 Feb. 1889.FK 136.5

    Ny fitsipika hoe manao no voa takin’i Kristy amintsika: manao asa fanasoavana, manao teny mamy, maneho fiheverana mamy amin’mahantra sy ny sahirana ary ny malahelo. - RH, 16 Aog. 1881.FK 137.1

    Raha vao nahita ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana izay niresaka tamin’i Jesosy teo amin’fantsakan’i Jakoba, dia nitondra ny hafa teo Aminy. Nasehony fa misionera mahomby noho ny mpianatr’i Jesosy izy. Ny mpianatra dia tsy nahita na inona na inona tao Samaria izay nilaza fa saha mety hahazoam-bokatra izy ity. Nifantoka teo amin’asa lehibe hatao ho amin’ho avy ny fisainany. Tsy hitany fa manodidina azy dia misy vokatra tokony hangonina. Nefa tamin’alalan’vehivavy izay nohamavoiny dia tanàna iray manontolo no voatarika hihaino an’i Jesosy. Nitondra ny fahazavana avy hatrany ho an’mpiara-monina taminy izy. Io vehivavy io dia mampiseho ny asa ataon’finoana ivelomana mihitsy ao amin’i Kristy. - TMF, tt. 58,59.FK 137.2

    Mandroso hatrany ny Advantista mitandrina ny andro fahafito, mitombo avo roa heny ny isan’izy ireo, manorina misiona hatraiza hatraiza izy ireo, ary mamelatra ny fanevan’fahamarinana any amin’ireo toerana maizina eto an-tany; saingy miadana loatra tsy araka izay ilàn’Andriamanitra azy ny fandehan’asa. [Nahoana?] Tsy taitra ny mambran’fiangonana tsirairay hanao ny ezaka mafana mety ho vitany, hany ka mandringa ny sampana rehetra amin’asa noho ny tsy fisian’fitiavam-bavaka mafana, sy ny tsy fisian’mpiasa matahotra an’Andriamanitra, mahafoy tena sy manetry tena. Aiza ireo miaramilan’hazo fijalian’i Kristy? Aoka ireo matahotra an’ Andriamanitra, ireo mahatoky, ireo tokampo, izay miandrandra fatratra ny voninahitr’ Andriamanitra, hiomana ho amin’ady amin’fahadisoan-kevitra. Maro loatra ny fo osa sy kanosa amin’ izao oran’ady ara-panahy izao. Enga anie ka hohatanjahina hiala amin’ fahalemena izy ireo, ka ho tonga mahery fo an‘ady, hahatonga ireo tafiky ny avy any ivelany handositra! - HS, t. 290.FK 137.3

    Fitsipika manerana an‘izao rehetra izao ny hoe: na iza na iza mandà ny hampiasa ny talenta nomen’Andriamanitra azy, dia ho simba sy ho levona izany. Ny fahamarinana izay tsy ivelomana, izay tsy zaraina, dia manary ny hery manome aina sy ny hery manasitrana ao aminy. - VM, t. 183.FK 138.1

    Tsy misy zavatra hanome aina sy hery ho an’ fitiavambavaka ao aminao tahaka ny miasa ho fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra izay lazainao fa tianao, fa tsy ny mamehy azy - TFC, b. 4, t. 236.FK 138.2

    Izay olona miezaka hahazo fiainana kristiana, satria mandray fitahiana noho ny fahasoavana, nefa tsy mety manao na inona na inona ho an’i Kristy, dia olona velonkihinana, fa tsy velon-kiasa. Mahatonga fihemorana sy fahasimbana mandrakizay izany, na ara-panahy na ara-nofo. - DHK, tt. 95,96FK 138.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents