Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Malemy Ara-Panahy

    Amin ny fampiasam-batana no hahazoana hery. Izay rehetra mampiasa ny fahaizana manokana efa nomen‘ Andriamanitra azy, dia hampitombo izany ho amin‘ny fanompoana Azy. Ireo izay tsy manao na inona na inona ho an’Andriamanitra kosa, dia tsy hitombo amin‘ny fahasoavana na amin‘ny fahalalana ny fahamarinana. Tsy ho ela dia tsy ho afaka hampiasa ny rantsam-batany intsony ny olona izay matory fotsiny sy mandà ny hampiasa izany. Toy izany koa, ny Kristianina tsy mampiasa ireo fahafahana efa nomen’ Andriamanitra azy, dia tsy vitan‘ny hoe tsy mitombo ao amin‘i Kristy fotsiny ihany, fa ho very mihitsy ireo fahafahana efa nananany teo aloha; tonga malemy ara-panahy izy. Ireo izay mitolona mafy amin’ fanampiana ny hafa, noho ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy no hifahatra tsara sy hatanjaka tsara ary hiorina tsara ao amin’ fahamarinana. Ny tena Kristianina marina dia hiasa ho an’ Andriamanitra, tsy atosi-pihetsehampo fa noho ny fanaovana izany ho fitsipika; tsy mandritra ny andro iray na volana iray, fa mandritra ny androm-piainana iray manontolo mihitsy - TFC, b. 5, t. 393.FK 150.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents