Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fialan-Tsiny Tsy Marim-Pototra

    Rehefa lasa i Jesôsy, dia navelany tamin’olona rehetra ny asany, ka fialan-tsiny tsy marim-pototra ihany ny hoe —tsy misy na inona na inona azo atao. Io no antony mahatonga ny fahasahiranan-tsaina eo amin‘ny samy mpirahalahy ao amin’Tompo. Hofenoin‘i Satana amin’drafiny mantsy ny sain’ireo izay tsy manao na inona na inona, ka hampiasainy amin‘izay izy ireo... Io —tsy misy na inona na inona azo atao io, dia mitondra fifampiampangana ratsy eo amin‘ny samy mambra, ary mamafy fisaratsarahana eo amin’fiangonan‘i Kristy. Izao no voalazan‘i Jesôsy: “Izay tsy mamory miaraka Amiko, dia manahaka. ” - RH, 13 Mar. 1888.FK 152.2

    Ranadahy sy rahavavy isany, maro aminareo no manala tsiny ny tenany noho ny tsy fanaovany ny asan’ Tompo, sy ny fitarainany fa tsy afaka miasa ho an‘ny hafa izy. Moa ve anefa tena nataon‘ Andriamanitra ho tsy afa-manao izany tokoa ianareo? Moa ve tsy vokatry ny tsy fiasanareo ihany, sy ny safidinareo no nahatonga izany tsy fahafahana izany? Moa ve tsy efa nanome anao talenta iray Andriamanitra fara fahakeliny, mba hampitomboina, tsy ho an‘ny fiadananao sy ny fahafaham-ponao anefa fa ho Azy? Moa ve tsy efa fantatrao ny adidinao amin‘ny maha-mpanompo nirahina anao, mba hitondra tombony ho Azy, amin‘ny alalan‘ny fampitomboana ny renivola napetraka taminao, amin’fomba feno fahendrena sy fahaizana? Moa ve tsy efa nimasoanao ireo tombontsoa hampandrosoana ny herinao ho amin‘izany tanjona izany? Marina loatra ny hoe: vitsy ihany no tena mahatsiaro ny andraikiny marina eoanatrehan’ Andriamanitra. TFC, b. 5, t. 457.FK 152.3

    Maro no mihevitra fa raha repotry ny asa aman-draharaha ny fiainany, dia tsy ho afa-manao na inona na inona ho an‘ny asa famonjem-panahy izy, na ny fampandrosoana ny asa mikasika ny Mpanavotra azy. Milaza izy fa tsy tia manao asa zara raha vita, hany ka avelany tanteraka ireo adidy aman-draharaha mikasika ny fivavahana, ary vao mainka izy rendrika any amin‘izao tontolo izao. Ny raharahan‘izy ireo no ataony ho lohalaharana, ka hadinony Andriamanitra, koa dia tsy faly aminy Izy. Raha misy olona tafiditra amin’raharaha izay tsy hahafahany mandroso eo amin‘ny fiainana araka an’Andriamanitra sy ny fahamasinana tanteraka noho ny tahotra Azy, dia tokony hanova izany asa izany ho amin’izay mampandroso ny fiarahany amin‘i Kristy isan‘ora izy. - TFC, b. 2, tt. 233, 234.FK 153.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents