Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandrosoa

    Mazàna no heni-doza mandrakariva ny fiainana kristianina, ka toa sarotra tanterahina ny adidy aman‘ andraikitra. Azo sary an-tsaina mialoha ny loza mitatao, ary toa efa aoriana ao ny fanandevozana sy ny fahafatesana. Milaza mazava tsara anefa ny feon’ Andriamanitra manao hoe: Mandrosoa. Aoka hankatò ny baiko isika, na dia tsy afaka ny hahita ny ao anaty haizina aza ny masontsika. Tsy ho voaaisotra na oviana na oviana manoloana ny fanahy miahotrahotra sy feno fanahiana ny sampona izay manakana ny fandrosoantsika. Ireo izay manemotra ny fankatoavany mandra-pialan’zava-mampiahiahy rehetra, sy ny mety ho tsy fahombiazana sy faharesena, dia tsy mba hankatò na oviana na oviana. Tsy mifantoka amin‘ny zava-tsarotra ny finoana, fa miandrandra ny tsy hita kosa, eny, miandrandra Ilay mahefa ny zavatra rehetra, hany ka tsy ho voafitaka na oviana na oviana. Ny finoana dia fifikirana ny tanan‘i Kristy amin’hamehana rehetra. - GW, t. 262.FK 155.2

    Tsy mahatody lavitra avokoa ny hevitsika rehetra. Mitaky fandrosoana mitohy eo amin‘ny asa fanapariahana ny fahazavana Andriamanitra. Ilaintsika ny mandinika ireo fomba sy fahafaha-manao efa nohatsaraina, eo amin‘ny fitaomana olona. Ilaintsika ny mandre amin’sofin‘ny finoana ilay Kapiteny maherin‘i Jehôvah Tompon‘ny maro milaza hoe: —Mandrosoa. Mila miasa isika, fa tsy hamela antsika Andriamanitra. Hanao ny anjarany Izy raha toa ka hotanterahintsika amin‘ny finoana ny antsika. Ranadahy sy rahavavy isany, efa ela no naha-tao amin‘ny fahamarinana anao, tsy mbola nataonao anefa ny asa niantsoan‘ny Tompo anao. Nankaiza ny fitiavanao hamonjy fanahy? - HS, tt. 289, 290.FK 156.1

    Fifalian‘i Kristy ny mamonjy fanahy. Aoka ho izany koa no asanao sy fifalianao. Tanteraho avokoa ny andraikitra rehetra sy ny fandavan-tena rehetra ho an‘i Kristy, fa hanampy anao tsy tapaka Izy. Mandehana avy hatrany any amin‘ izay iantsoan’ feon‘ny adidy anao; aoka tsy hisy toa zava-tsarotra hanakana anao. Raiso ny andraikitra efa napetrak‘ Andriamanitra taminao, ka raha eo ampitondrana izany enta-mavesatra tsindraindray izany ianao, dia aza manontany hoe: — Fa nahoana àry no tsy misy na inona na inona ataon‘ny rahalahiko, tsy mba misy zioga eo aminy? Ataovy ny adidy akaiky anao indrindra, ataovy tsara sy hatramin‘ny farany izany, aza maniry dera fa ataovy ny asan‘ny Tompo satria Azy ianao. - SW, 2 Apr 1903.FK 156.2

    Tokony hikendry ny fandresena mandrakariva ny lalan‘ny vahoakan’Andriamanitra. Izay lehibebe kokoa noho i Josoa no mitarika ny tafik‘i Isiraely. Eto afovoantsika Izy, eny, ny Kapitenin’famonjena antsika mihitsy no efa nilaza hampahery antsika manao hoe: ‘ Indro, Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pabatongan ‘ny fahataperan ‘izao tontolo izao. ”FK 156.3

    Matokia, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao. “ Hitarika antsika ho amin’ fandresena azo antoka Izy. Azon’ Andriamanitra tanterahina amin’ fotoana rehetra ny teny fikasany. Ary ny asa nasainy hataon’ vahoakany, dia hotanterahiny amin’ alalan’izy ireo. - TFC, b. 2, t. 122.FK 157.1

    Nahoana isika no tsy mirehi-po vokatry ny Fanahin’i Kristy? Nahoana no tsy mampihontsona antsika firy akory ny taraina mahonen’ity tontolo mijaly ity? Moa ve mba heverintsika ny tombontsoa lehibe ananantsika momba ny fanampiana kintana eo amin’satroboninahitr’i Kristy - ny fahafahan’fanahy iray amin’fatoran’gadran’i Satana, fanahy izay voavonjy any amin’fanjakan’Andriamanitra? Tokony ho tsapan’fiangonana tsara ny andraikiny eo amin’fitoriana ny filazantsaran’izao fahamarinana ankehitriny izao amin’olombelona rehetra. Miangavy mafy anareo aho mba hamaky ny toko fahatelo sy fahefatry ny Zakaria. Raha azo tsara ny ambaran’ireo toko ireo, ary raha raisina tsara izany, dia ho vita ny asa ho an’ireo izay mangetaheta sy noana ny fahamarinana, asa lehibe ho an’fiangonana tokoa izany. «Mandrosoa, miakara.» - TFC, b. 6, t. 296.FK 157.2

    Efa nanome ny tokim-panoavany ho an’ fahavalo avokoa ny ankamaroan’ ny mponin’ tany. Tsy voafitaka anefa isika. Na dia eo aza ny toa fandresen’i Satana, dia efa manao ny asany ao amin’fitoerana masina ao an-danitra ary koa ety an-tany i Kristy. Maneho an-tsary ny faharatsiana sy ny fahalovana izay tsy maintsy hisy amin’ andro farany ny tenin’ Andriamanitra. Tokony ho vao mainka hatanjaka ny finoantsika mikasika ny fandresena farany ho azon’fanjakan’Andriamanitra, satria efa hitantsika ny fahatanterahan’faminaniana. Koa tokony hiroso amin-kery vaovao hanao ny asa notendrena hataontsika isika noho izany. - GW, tt. 26, 27.FK 157.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents