Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Maneho Fahalianana Amim-Piombonam-Po

    Ireo izay miady mafy amin’ fiainana dia hahazo famelombelomana sy fankaherezana amin’alalan’fanehoam-piheverana kely izay tsy mitaky fandaniana akory. Ny teny feno hatsaram-panahy voalaza tsotra, ny fanehoampiheverana kely amin’fomba tsotra dia hikosoka ireo rahon’fakam-panahy sy fisalasalana izay mitatao eo ambonin’fanahy Ny fanehoana fiombonam-po tahaka ny an’i Kristy tena avy ao amin’fo marina, atao amimpahatsorana, dia manan-kery hanokatra ny varavaran’ireo fo izay mila ny fikasihana tsotra sady malefaky ny Fanahin’i Kristy - TFC, b. 9, t. 30.FK 174.2

    Fo an’arivony no azo tratrarina amin’fomba tsotra sy mora indrindra. Ireo olona manan-tsaina indrindra sy ireo izay andrandraina sy deraina ho olona manan-tombontsoa indrindra eto amin’izao tontolo izao dia matetika mandray famelombelomana avy amin’teny tsotra izay miloatra avy ao am-pon’olona iray izay tia an’Andriamanitra ka afaka miresaka momba izany fitiavana izany tahaka ny hiresahan’olon’izao tontolo izao anankiray momba ireo zavatra izay banjinin‘ny sainy sy mameno izany. Matetika dia kely ny hery miasa manginan’teny voaomana tsara sy nokarohina. Fa ny teny marina sy mahitsy ataon‘ireo zanaka lahy na zanaka vavin’Andriamanitra, ambara amim-pahatsorana dia hanokatra varavarana ho an‘ny fo izay efa nikatona ela. - TFC, b. 6, t. 115.FK 174.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents