Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    An-Tsotatra Sy Am-Bava

    Ambarao an-tsoratra sy am-bava fa i Jesôsy dia velona mba hanao asa fanelanelanana ho antsika. Miraisa amin’Ilay Tompon’asa, manaraha ny dia amim-pitiavana nataon‘Ilay Mpanavotra mpandà tena tety an-tany - RH, 24 Jan. 1893.FK 184.1

    Misy ireo hanana ny fomba fiasany ary ny sasany hiasa amin’fomba hafa arakaraka izay hitarihan’Tompo azy ireo. Kanefa tokony hiara-miezaka izy ireo hikatsahana fomba hampirindra tanteraka ny asa. An-tsoratra sy am-bava dia tokony hiasa ho Azy izy ireo - TFC, b. 9, t. 26.FK 184.2

    Resaho, ivavaho, hirao i Kristy voahombo teo amin‘ny hazofijaliana ka mambaboa fo maro. - TFC, b. 6, t. 67.FK 184.3

    Ny penina dia hery iray eo an-tanan‘ny olona izay manana ny fahamarinana miredareda ao amin’alitaran’fony sy manana hafanam-po ombam-pisainana ho an’Andriamanitra miaraka amin’fahendrena matotra. Raha atsoboka ao anatin‘ny loharanon‘ny fahazavana madio ny penina dia handefa ny taratry ny hazavana ho eny amin’ireo fantra maizina amin’tany, izay hamerina indray ny tarany sy hanampy hery azy ary hampitombo ny fahazavany izay hozaraina amin’toerana rehetra - LS, t. 214.FK 184.4

    Ireo mpitandrina eo amintsika dia tsy tokony handany ny heriny rehetra amin‘ny fitorian-teny ka hifarana hatreo ny asa. Tokony hampianariny ny mambra izay fomba handraisana anjara sy hahombiazana eo amin’io lafin’asa io [ny fitoriana an-taratasy ifandefasana], izay toy ny kodiarana ao anaty kodiarana ho an‘ny asa fitoriana eo amin’fiarahamonina sy fizaràna trakta ataontsika. Ny fihodinan’io kodiarana anatiny io dia manampy ilay kodiarana ivelany mba hiasa tsara. Raha atsahatra ny asan’io kodiarana anatiny io dia ho hita fa hihena ny hery sy ny fiasan’fizaràna trakta sy ny asa fitoriana eo amin‘ny fiarahamonina. - RH, 10 Jona 1880.FK 184.5

    Aoka tsy ho reraka amin‘ny fanaovana asa fitoriana amimpahamalinana. Io asa io dia azon‘ny rehetra irotsahana sy ahombiazana raha irinareo fotsiny ny hifandray amin’Andriamanitra. Mialoha ny hanoratana taratasimpanontaniana dia asandrato amim-bavaka ho an’Andriamanitra mandrakariva ny fonareo mba hahombiazanareo eo amin’fanangonana rantsan-kazo maina sasany izay azo atao grefy amin’Ilay tena foto-boaloboka, ary hitondra vokatra ho voninahitr’Andriamanitra. Izay rehetra mandray anjara amin‘io asa io amin‘ny fo manetry tena dia tsy hitsahatra hanabe ny tenany amin‘ny maha-mpiasa ao amin‘ny tanim-boaloboky ny Tompo azy. - RH, 10 Jona 1880.FK 185.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents