Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 3 - Famitahana Mampidi-Doza

    Madiva hifarana ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana, ary mampitombo fatratra ny ezaka ataony ilay ratsy mba handravana ny asa ataon’i Kristy ho an’ny olona. Ny zavatra kendreny dia ny hitana ny vahoaka ao amin’ny haizina sy ny tsy fetezana hibebaka mandra-pahatapitry ny fanalalanana ataon’ny Mpamonjy. Rehefa manjaka ao amin’ny fiangonana ny tsy firehana, dia afaka ahiahy i Satana. Fa rehefa manontany kosa ny fanahy hoe: «Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?» amin’izay dia mailo izy, mitady izay handaminany ny heriny hoenti-manohitra ny herin’i Kristy sy hanakantsakanany ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy Masina:IFL 22.1

    Ambaran’ny Soratra Masina fa indray andro, raha tonga ireo anjelin’Andriamanitra hiseho eo anatrehan’i Jehôvah, dia mba tonga koa i Satana niaraka tamin’izy ireo (Jôba 1:6), tsy ny hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka mandrakizay anefa, fa ny hanitatra ny hasomparany hoenti-mamely ny olo-marina. Manatrika ny fivoriana izy rehefa miangona hidera an’Andriamanitra ny olona, ary milofo fatratra izy mba hifehy ny sain’ny mpivavaka. Rehefa hitany fa mandinika ny Soratra Masina ny mpitondra hafatr’Andriamanitra, dia raisiny an-tsoratra ny loha hevitra haseho. Dia mampiasa ny hafetseny sy ny hakingany rehetra izy mba tsy ho tafapaka amin’ireo izay fitahiny momba io loha hevitra io indrindra ny hafatra. Hasesiny hanao fifampiraharahana mikasika ny asa amandraharahany na hosakanany amin’ny fomba hafa tsy handre ny teny ilay olona tena mila tokoa ny fampitandremana.IFL 22.2

    Hitan’i Satana fa itambesaran’enta-mavesatra ireo mpanompon’i Jehôvah noho ny haizina ara-panahy manarona ny vahoaka. Reny ny vavaka mafana ataony itadiavany ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra izay hampisinda ny fandraikiraikena avy amin’ny tsy firehana sy ny fitsilamodamohana. Dia entanin-kerim-po vaovao izy maka fanahy ny olona hampanaram-po ny filan-kanina, na ny danin’ny kibony, amin’izay dia manjary domelina ny sain’ny olona hany ka tsy ho ren’izy ireo ny zavatra izay tena ilainy indrindra hianarana.IFL 22.3

    Fantatr’i Satana tsara fa izay rehetra manao an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Soratra Masina dia ho resin ny famelezany. Noho izany dia mamorona izao fitaka rehetra izao izy mba hanavesatra ny saina. Mihetsiketsika fatratra ireo olona izay tanana an-kavanan’i Satana rehefa miasa Andriamanitra. Hasehony ho toy ny voafitaka na mpamitaka ireo mpanompon’i Kristy mafana fo sy mazoto ary mahafoy tena indrindra. Asa fanaon’izy ireny ny mandiso ny antony marina manesika hanao ny asa marina sy mendrika rehetra, ny mampiely safelin-kevitra, ny mamelona ahiahy ao an-tsain’ny tsy manana fanandramana ampy. Nefa mora foana ny mamantatra na zanak’iza na zanak’iza izy ireo, ohatra omen’iza no arahiny, ary asan’iza no ataony. «Ny voany no hahafantaranareo azy» - Mat. 7:16. Jereo koa ny Apôk.12:10.IFL 23.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents