Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manamasina ny fahamarinana

    Manana fampianaran-diso maro voakendry hifandrindra amin’izay ankafizin’ny olona samihafa izay tadiaviny hoverezina ilay mpamitaka lehibe. Ny tetik’adiny dia ny hampiditra ao amin’ny fiangonana olona tsy tso-po, tsy voaova, izay hampirisika ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Maro ireo izay tsy manana finoana marina an’Andriamanitra no manaiky foto-kevitra sasantsasany momba ny fahamarinana ka misora-tena ho Kristianina, ary noho izany dia afaka manatsofoka hevi-diso avy aminy izy, izay lazainy fa fampianaran’ny Soratra Masina. Fantatr’i Satana fa ny fahamarinana raisina amim-pitiavana dia manamasina ny fanahy. Noho izany dia mitady izay hanoloana ny fahamarinana amin’ny laha-kevitra diso, amin’ny anganongano sy amin’ny filazantsara hafa izy. Hatrany am-boalohany no efa niady mafy nanohitra ny mpampianatra sandoka ny mpanompon’Andriamanitra, tsy noho ny maha-olona mpanao ratsy azy ireny ihany, fa noho izy ireny mampiditra fampianaran-diso izay mampidi-doza ny fanahy. I Elia, i Jeremia, i Paoly, dia samy nanohitra mafy ireo izay nanodina ny sain’ny olona hiala tamin’ny tenin’Andriamanitra. Ny fahalalahantsaina izay mihevitra fa tsy dia zava-dehibe akory ny hananana finoana marina dia tsy nahita nirika hidirana teo amin’ireo mpiaro masina ny fahamarinana ireo.IFL 23.2

    Ny fivoasana manjavozavo sy araka ny fisainana be haitraitra ny Soratra Masina ary ireo laha-kevitra maro mifanohitra hita eo amin’ny fivavahana kristianina, dia asan’ilay fahavalontsika lehibe izay kendreny hanakorontanana ny saina. Ny adilahy sy ny fisaraham-bazana misy eo amin’ny fiangonana dia saika avy amin’ny fanolanana ny Soratra Masina hoenti-manohana ny lahakevitra ankafizina iray.IFL 24.1

    Mba hanohanany fampianaran-diso dia misy maka ny tenin’ny Soratra Masina ka mampisaraka izany amin’ny tontolon-kevitra manodidina azy (ireo teny mialoha sy manaraka azy), ka tapaky ny andininy iray ihany no raisiny hanamarinany ny heviny, kanefa hita fa mifanohitra indrindra amin’izany ny tapaky ny andininy sisa. Mampiasa ny hafetsen’ny menarana izy ka miery ao ivohon’ny fanambarana izay tsy misy ifandraisany akory fa narafidrafitra mba hifanaraka amin’ny ara-nofo. Ny hafa kosa mandray ireo sary aman’ohatra ao amin’ny Soratra Masina ary manazava ireny hifanaraka amin’ny eritreritra foroniny, sady tsy mihevitra firy fa ny tenin’ny Soratra Masina ihany no manazava azy, ary amin’izany dia asehony ho fampianaran’ny Baiboly ny firenirenen’ny sainy.IFL 24.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents