Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hevi-diso mampidi-doza

    Anisan’ny fitaovana mahomby indrindra ampiasain’ilay mpamitaka lehibe ireo fahagagana mandainga ataon’ny filalaovana angatra. Rehefa mitsipaka ny fahamarinana ny olona dia ho babon’ny famitahana.IFL 26.1

    Ny hevi-diso mampidi-doza anankiray koa dia ny fampianarana izay mitsipaka ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, ka milaza fa tsy nisy Izy talohan’ny fiaviany teto amin’izao tontolo izao. Manohitra ny filazana nataon’ny Mpamonjy momba ny fifandraisany amin’ny Ray sy ny fisiany talohan’ny nahatongavany ho nofo io laha-kevitra io. Mandrodana hatrany amin’ny fotony mihitsy ny finoana ny Baiboly ho fanambarana avy amin’Andriamanitra izany. Raha misy olona mitsipaka ny fanambaran’ny Soratra Masina mikasika ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, dia herim-po very maina ny miady hevitra aminy; tsy misy fonjan-kevitra, na izay mampiaiky toy inona aza, afaka handresy lahatra azy. Na iza na iza mifikitra amin’io hevidiso io dia tsy afaka hanana fahalalana marina ny momba an’i Kristy na ny momba ny drafitra lehibe nataon’Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona.IFL 26.2

    Ny hevi-diso iray koa dia ny finoana milaza fa tsy tena manana fisiana tsy akory i Satana, fa ny anarana anononana azy dia ampiasain’ny Soratra Masina hoenti-mampiseho fotsiny ny eritreridratsin’ny olona sy ny fanirian-dratsiny.IFL 26.3

    Ny fampianarana fa ny fiavian’i Kristy fanindroany dia ny fiaviany amin’ny tsirairay amin’ny andro ahafatesana, dia fitaka hoentimampivily ny sain’ny olona tsy hijery ny fiaviany ara-batana eny amin’ny rahon’ny lanitra. Araka izany dia efa niteny i Satana hoe: «lndro, ao amin’ny efitrano lzy” - Mat. 24:23-26, ka maro ireo fanahy no very noho ny nanekeny io fitaka io.IFL 26.4

    Ny olona mandalina siansa dia milaza fa tsy mety hisy ny tena valim-bavaka marina; lazainy fa fitsipahana ny lalàna izany - fahagagana, ary ny fahagagana dia tsy misy akory. Izao rehetra izao, hoy izy, dia fehezin’ny lalàna tsy miova, ary na dia Andriamanitra aza tsy manao na inona na inona mifanohitra amin’ireo lalàna ireo. Araka izany dia asehony ho voafatotry ny lalàna nataon’ny tenany Andriamanitra - toy ny hoe manafoana ny fahafahan’Andriamanitra ny lalàna nataony.IFL 27.1

    Moa ve tsy nisy fahagagana nataon’i Kristy sy ny apôstôly? Mbola vonon-kihaino ny fivavahana atao amim-pinoana, tahaka ny fony Izy nandehandeha hita maso teo anivon’ny olona ihany io Mpamonjy io. Miara-miasa ny herin’ny zavaboary sy ny hery ambonin’ny zavaboary. Isan’ny soritr’asa nataon’Andriamanitra ny hanome antsika, ho valin’ny vavaky ny finoana, izay tsy natolony raha tsy nangatahintsika.IFL 27.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents