Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Porofo ampy

    Ampy ny porofo nomen’Andriamanitra ao amin’ny teniny ny amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy. Na dia izany aza, ny saina voafetra ananan’ny olombelona dia tsy ampy hahatakatra tanteraka ny drafitra sy ny fikasan’llay tsy voafetra. «Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” - Rôm. 11:33. Na izany aza dia azontsika atao ihany ny hahita ny fitiavany sy ny famindrampony tsy hita lany miaraka amin’ny heriny tsy manampetra. Hasehon’ny Raintsika any an-danitra antsika ny fikasany rehetra tsara ho fantatsika, ary ny ankoatra izany, dia tsy maintsy matoky llay sandry manana ny hery rehetra isika, sy llay fo feno fitiavana.IFL 28.2

    Tsy hanaisotra na oviana na oviana ny fialan-tsiny rehetra tsy hinoana Andriamanitra. Izay rehetra mitady faraingo hanantonany ny fisalasalany dia hahita izany. Ary izay rehetra mandà tsy hankatò mandra-pahafaky ny fanoherana rehetra, dia tsy ho tonga na oviana na oviana eo amin’ny fahazavana. Mifandrafy amin’Andriamanitra ny fo tsy voaova. Ny finoana kosa dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hanorobona izany rehefa kolokoloina. Tsy misy olona mety hatanjaka amin’ny finoana raha tsy manao fiezahana hentitra. Raha misy olona mamela ny tenany hisalasala sy hiady hevitra tsy misy farany lava eny, dia ho hitany fa hihamahazo vahana hatrany ny tsy finoany.IFL 28.3

    Kanefa ireo izay misalasala ka tsy matoky ny fahasoavany dia manala baraka an’i Kristy. Hazo tsy mamoa ireo, izay misakana ny tanamasoandro tsy ho tafapaka amin’ny zava-maniry hafa ary mahatonga azy ireo hilofika sy ho faty noho ny aloka manimba azy. Ny asan’ireny olona ireny mandritra ny fiainany dia ho vavolombelona tsy hangina hiampanga azy.IFL 28.4

    Tsy misy afa-tsy lalan-tokana no azon’ireo izay maniry tokoa ho afaka amin’ny fisalasalana hizorana. Aoka tsy hanao fanadihadiana mikasika izay tsy takatry ny sainy izy, fa aoka hitandrina kosa ny fahazavana izay efa mamirapiratra sahady eo aminy; amin’izay dia handray fahazavana lehibebe kokoa izy. Azon’i Satana atao ny manolotra hala-tahaka mifandraika akaiky dia akaiky amin’ny fahamarinana hany ka ho voafitaka izay rehetra te ho voafitaka, dia izay te hisoroka ny fahafoizan-tena takin’ny fahamarinana. Tsy azony atao kosa anefa ny hitana eo ambany fanapahany ny fanahy iray izay maniry marina tokoa amin’ny fony hahalala ny fahamarinana, na inona na inona sandan’izany. I Kristy no Fahamarinana, dia Ilay Mazava «lzay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao” - Jao. 1:9. «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy» - Mat. 7:7; Jao. 7:17.IFL 29.1

    Avelan’ny Tompo hiaritra ny fizahan-toetra mahamay vokatry ny fakam-panahy ny vahoakany, tsy noho Izy mahita fahafinaretana amin’ny fahoriany tsy akory, fa satria ilaina izany hahazoan’izy ireo ny fandresena farany. Tsy azony atao ny hiaro azy ireo tsy ho tratry ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny fanatrehany ho voninahiny; ny anton’ny fitsapana mantsy dia ny hanomanana azy ireo hahatohitra ny fitaomana rehetra hataon’ny ratsy. Tsy ny ratsy fanahy na ny devoly no hahasakana ny fanatrehan’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny vahoakany, raha tahiny miaiky ny helony sy miala amin’ny fahotany izy, ka mitaky ny teny fikasany. Ny fakam-panahy rehetra, na miharihary na miafina, dia samy azo toherina amimpahombiazana daholo, «tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ny maro” - Zak. 4:6.IFL 29.2

    «lza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’izay tsara hianareo? »-1 Pet. 3:12,13. Fantatr’i Satana tsara fa ny fanahy osa indrindra izay mitoetra ao amin’i Kristy dia mahery noho ny andiantafiky ny maizina. Noho izany dia miezaka ny hitaona ny miaramilan’ny hazo fijaliana hivoaka ny manda mafy miaro azy izy, ary izy kosa mandritra izany fotoana izany manao otrika, vonona ny handringana izay rehetra sahisahy manitsaka ny faritaniny. Amin’ny fiankinana amin’Andriamanitra irery ihany, sy ny fankatoavana ny didiny no misy fiarovana azo antoka ho antsika.IFL 29.3

    Tsy misy na iza na iza afa-doza indray andro na ora iray raha tsy mivavaka. Tokony hitalaho mafy amin’ny Tompo isika hanomezany antsika fahendrena mba hahafantarantsika ny hevitry ny teniny. Havanana amin’ny fampiasana toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina i Satana, ka ny fanazavana avy aminy no entiny manazava ny teny, izay antenainy fa hahatonga antsika ho tafintohina. Tokony handinika ny Baiboly amin’ny fo feno fanetrentena isika. Raha eo am-piambenana lalandava mba tsy ho azon’ny fitak’i Satana isika, dia aoka hivavaka mandrakariva amim-pinoana hoe: «Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy” - Mat. 6:13.IFL 30.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents