Ny lainga voalohany
Ny hany nampanantena fiainana ao amin’ny tsy fankatoavana dia ilay mpamitaka lehibe. Ary ny fanambarana nataon’ny menarana tao Edena hoe: «tsy ho faty tsy akory hianareo” - Gen. 3:4, no toriteny voalohany natao hatramin’izay momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Io fanambarana io anefa, izay tsy miorina afa-tsy amin’ny fahefan’i Satana, dia manakoako avy eny amin’ny polipitra ary eken’ny ankabeazan’ny olombelona mora foana tahaka ny nandraisan’ireo ray aman-drenintsika voalohany azy. Ny didimpitsaran’Andriamanitra manao hoe: «Ny fanahy izay manota no ho faty” - Ezek. 18:20, dia lazaina fa midika hoe: Ny fanahy izay manota dia tsy ho faty, fa ho velona mandrakizay. Raha navela malalaka ho eo amin’ny hazonaina ny olombelona taorian’ny fahalavoany, dia tsy ho fongotra mandrakizay ny fahotana. Kanefa tsy nisy na dia iray aza tamin’ny fianakavian’i Adama navela hihinana tamin‘ilay voankazo manome aina. Noho izany dia tsy misy na dia iray aza ny mpanota tsy mety maty.IFL 32.2
Taorian’ny fahalavoana dia nibaiko ny anjeliny i Satana hanatsofoka ny finoana ny tsy fahafatesana voajanahary ananan’ny olombelona. Rehefa nahataona ny olona handray io hevi-diso io izy ireo, dia hitarika azy handray ilay fehin-kevitra milaza fa ho velona ao amin’ny fijaliana mandrakizay ny mpanota. Ankehitriny ny andrian’ny maizina dia mampiseho an’Andriamanitra ho toy ny mpanjaka lozabe, mpamaly faty izay lazaina fa manipy ao amin’ny helo ireo rehetra tsy ankasitrahany, ary raha mbola miolanolana ao anaty lelafo mandrakizay izy ireo, ny Mpahary azy ireo kosa dia mijery azy ireo ka afa-po. Amin’izany fomba izany no anafian’ilay mpamitaka fetsilahy ny Mpanasoa ny taranak’olombelona amin’ny toetran’ny tenany. Toetr’i Satana ny halozana, Andriamánitra dia fìtiavana. I Satana no fahavalo izay maka fanahy ny olona hanota, sy mandringana azy avy eo raha azony atao. Maharikoriko ny fihetseham-po entanin’ny fitiavana sy ny famindrampo ary ny rariny sy ny hitsiny ilay foto-pinoana milaza fa ampijalina ao amin’ny helo mirehitra mandrakizay ny maty ratsy fanahy; fa ho tambin’ny fahotana nataony nandritra ny fiainana fohy nivelomany teto an-tany dia hiaritra fampijaliana mandritra ny fotoana maharitra izy ireo - raha velona koa Andriamanitra.IFL 33.1
Aiza, ao amin’ny tenin’Andriamanitra, no ahitana ny fampianarana toy izany? Moa ve ny fihetseham-po mahaolombelona hatakalo ny fahasiahan’ny olon-dia? Tsia, tsy izany no fampianaran’ny Bokin’Andriamanitra. «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?» - Ezek. 33:11IFL 33.2
Moa ve Andriamanitra finaritra eo am-pijerena ny fampijaliana tsy misy farany? Ravoravo ve Izy eo am-pandrenesena ny toloko sy ny kiakiaka ataon’ireo olona mijaly hazoniny ao amin’ny lelafon’ny helo? Mety ho mozika eo an-tsofin’llay Fitiavana Mandrakizay ve ireny feo mahatsiravina ireny? O, fitenenan-dratsy mahatahotra loatra atao amin’Andriamanitra izany! Tsy mampisandratra ny voninahitr’Andriamanitra ny fampaharetana ny fahotana mandritra ny fotoana tsy manam-pahataperana.IFL 33.3