Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy vonona hiditra any an-danitra

    Izay nifidy an’i Satana ho mpitarika azy dia tsy vonona hiditra eo anatrehan’Andriamanitra. Ny avonavona, ny fitaka, ny fahavetavetana, ny halozana, dia nanjary toetra raikitra aminy. Moa ve afaka hiditra any an-danitra izy ka hiara-mitoetra mandrakizay amin’ireo nankahalainy tetý an-tany? Tsy hahafinaritra ny mpandainga na oviana na oviana ny fahamarinana; tsy hahafa-po na oviana na oviana ny mihevi-tena ho zavatra ny fahalemempanahy; tsy azon’ny maloto ekena ny fahadiovana; tsy manintona ny tia tena ny fitiavana tsy mitady ny azy fa mihevitra ny hafa. Inona no fahafinaretana azon’ny lanitra atolotra ireo izay variana tanteraka amin’ny tombontsoa feno fitiavan-tena eto an-tany?IFL 37.1

    Moa ve azon’ireo izay manana fo feno fankahalana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny fahamasinana atao ny hifangaro amin’ireo vahoaky ny lanitra ka hiara-mihira hira fiderana aminy? Nomena taom-pahasoavana maro izy ireo nefa tsy nanazatra ny sainy mihitsy ho tia ny fahadiovam-po; tsy nianatra na oviana na oviana ny fomba fitenin’ny lanitra izy ireo, ary ankehitriny dia efa diso aoriana loatra.IFL 37.2

    Nahatonga azy ireo tsy ho afaka honina any an-danitra ny fiainana nikomiany tamin’Andriamanitra. Ho fampahoriana ho azy ireo ny fahadiovana sy ny fiadanana any; ho afo mandevona azy ireo ny voninahitr’Andriamanitra. Haniry mafy ny handositra io toerana masina io izy ireo ka handray amim-pifaliana ny fandringanana, mba hiafenany amin’ny tavan’llay maty hanavotra azy. Ny safidin’ny ratsy fanahy ihany no nametra izay ho anjarany. Mifanaraka amin’ny sitrapony ny fandavana ny tsy hidirany any andanitra, ary fanehoana ny fahamarinana sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Tahaka ny ranobe tamin’ny Safo-drano, ny afo amin’ilay andro lehibe dia manambara ny didimpitsaran’Andriamanitra fa tsy azo sitranina ny ratsy fanahy. Nozariny hikomy ny sitrapony ary rehefa mby amin’ny fiafaran’ny fiainana, dia diso aoriana loatra ny hanodinana ny fizotry ny sainy hiala amin’ny fandikan-dalàna ka hifindra ho amin’ny fankatoavana, hiala amin’ny fankahalana ho amin’ny fitiavana.IFL 37.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents