Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fiafaran’ny fahoriana

    Ireo izay “atao miendrika” (Lio. 20:35) ny fitsanganana ho amin’ny fiainana dia «sambatra sy masina (...) ireo izay tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana» - Apôk. 20:6. Fa ireo izay tsy mba nahazo famelan-keloka tamin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana kosa, dia tsy maintsy mandray “ny tambin’ny ota“», famaizana «araka ny asany avy”, izay mifarana amin’ny “fahafatesana faharoa”.IFL 38.3

    Satria tsy azon’Andriamanitra atao ny mamonjy ny mpanota ao amin’ny fahotany, dia esoriny aminy ny fiainana izay simban’ny fandikan-dalàna nataony satria nasehony fa tsy mendrika izany izy. «Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy» - Sal. 37:10. «Ary ho toy ny tsy ary izy» - Oba. 16. Hatelin’ny fanadinoana tsy misy fanafana mandrakizay izy.IFL 39.1

    Amin’izany fomba izany no hamaranana ny fahotana. «Efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. Ny amin’ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravana azy» - Sal. 9:5,6. Ao amin’ny Apôkalipsy i Jaona dia nandre antema fiderana ataon’izao rehetra izao, izay tsy nisy na dia feo iray aza naningana. Tsy misy fanahy very miteny ratsy an’Andriamanitra raha iny izy ireo fa miolanolana ao amin’ny fampijaliana tsy misy farany; tsy hisy olom-boaozona ao amin’ny helo hampifangaro ny kiakiakany amin’ny hiran’ny voavonjy.IFL 39.2

    Ny hevi-diso momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy no iorenan’ny fampianarana milaza fa manana fahatsiarovana ny maty. Io fampianarana io, tahaka ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay, dia mifanohitra amin’ny ampianarin’ny Soratra Masina sy amin’ny saina mandanjalanja, ary amin’ny fihetseham-pontsika maha-olombelona.IFL 39.3

    Araka ny finoan’ny besinimaro, ireo voaavotra any an-danitra dia mahafantatra izay rehetra miseho eto an-tany. Nefa ahoana moa no hahasambatra ny maty raha mahafantatra ny zava-tsarotra manjo ny velona izy, raha mahita azy ireo miaritra ny fahadisoampanantenana sy ny tebitebin-tsaina rehetra eo amin’ny fiainana izy? Ary tena mampikomy tsotra izao ny finoana fa raha vantany vao miala ny fofonain’ny ratsy fanahy dia mankany amin’ny lelafon’ny helo ny fanahiny!IFL 39.4

    Inona no lazain’ny Soratra Masina? Tsy manana fahatsiarovana ny olona ao amin’ny fahafatesana. «Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy, ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany” - Sal. 146:4. «Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona», «na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao aty ambanin’ny masoandro izy” - Mpit.T. 9:5,6. «Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao»29. «Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? ” - Sal. 6:5.IFL 39.5

    Tamin’ny andro Pentekôsta dia nilaza i Petera ny amin’i Davida patriarka, «fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany”. «Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra” - Asa. 2:29,34. Ny fijanonan’i Davida ao am-pasana mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty dia manaporofo fa tsy mankany an-danitra ny olo-marina rehefa maty.IFL 40.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents