Tsy fahafaliana teo anivon’ireo anjely
Niala teo amin’ny toerany teo anatrehan’Andriamanitra i Losifera ka lasa nampiely toe-tsaina feno tsy fahafaliana teo anivon’ireo anjely. Niasa tamin’ny fomba miafina sy mangina izy ary nafeniny aloha ny tena fikasany tamin’ny endriky ny fanajana an’Andriamanitra ka niezahany ny hamohafoha tsy fahafaham-po momba ny lalàny izay mifehy ny mponin’ny lanitra, ary narosony miandalana tamin’izany ny hevitra fa mahatonga fanaovana didy jadona amin’ny fameperana tsy misy ilàna azy izany. Satria masina izy ireo, dia nantitranteriny fa tokony hankatò ny baikon’ny sitrapon’ny tenany ny anjely. Nanao ny tsy rariny taminy Andriamanitra raha nanolorany an’i Kristy ny voninahitra fara tampony. Nolazainy fa tsy nikendry ny hanambony tena tsy akory izy fa niezaka kosa mba hananan’ny mponin’ny lanitra rehetra fahafahana, mba hahazoan’izy ireo mahatratra faritra ambonimbony kokoa eo amin’ny fiainany amin’izany fomba izany.IFL 7.2
Nahari-po ela tamin’i Losifera Andriamanitra. Tsy naetry avy hatrany hiala tamin’ny toerana ambony nisy azy izy, na dia tamin’ny fotoana nanombohany nampiseho fihamboana diso teo anatrehan’ny anjely aza. Naverimberina natolotra azy ny famelankeloka raha mety mibebaka sy milefitra izy. Fiezahana, izay ny fitiavana sy ny fahendrena tsy voafetra ihany no afaka mamolavola izany, no efa natao mba hampiaiky azy ny fahadisoan-keviny. Tsy mbola fantatra na oviana na oviana tany an-danitra ny toe-tsaina tsy faly. Na dia i Losifera aza dia tsy nahafantatra mazava tsara ny tena toetry ny fihetseham-pony. Rehefa voaporofo fa tsy misy antony tokony tsy hahafaly azy, dia niaiky i Losifera fa marina ny fitakian’Andriamanitra, ka tokony hoekeny ho toy izany eo anatrehan’ny lanitra manontolo. Raha nanao izany izy, dia ho namonjy ny tenany sy anjely maro. Raha nety niverina tamin’Andriamanitra izy, ka afa-po nandray ny toerana notendrena ho azy, dia ho naverina teo amin’ny asany izy. Nanakana azy tsy hilefitra anefa ny avonavona. Notanany mafy ny tsy ilany ny fibebahana koa dia nivonona tanteraka hanohitra ilay Mpanao azy izy, eo amin’ilay ady lehibe .IFL 7.3
Ny heriny rehetra araka ny sain-dalina ananany izao dia navondrony hanaovana asa famitahana , mba hahazoany ny fon’ireo anjely hiandany aminy. Nasehon’i Satana fa diso ny fitsarana azy, voatohintohina ny fahafahany. Raha fandikana vilana ny tenin’i Kristy no nataony talohan’izao, ankehitriny kosa dia niroso tamin’ny lainga mivantana izy, niampanga ny Zanak’Andriamanitra ho nikasa ny hanala baraka azy teo anatrehan’ny mponin’ny lanitra. Izay rehetra tsy azony nahodina ka tsy niandany taminy dia nampangainy ho tsy miraika amin’ny tombontsoan’ny mponina any an-danitra. Novany endrika ny Mpamorona. Ny tetiny dia ny hahavery hevitra ny anjely tamin’ny alalan’ny fonjan-kevitra faran’izay fetsy mikasika ny fikasan’Andriamanitra. Nosaronany zava-miafina ny zavatra tsotra rehetra, ary tamin’ny famitahana novolavolain’ny sain-dratsiny no namafazany fisalasalana ny amin’ny tenin’i Jehôvah mazava indrindra. Ny toerana ambony nisy azy dia nanome hery ny teniny, ka maro no voatarika hiray taminy hikomy.IFL 8.1
Noho ny fahendren’Andriamanitra, dia navelany i Satana hampandroso ny asany, mandra-pahamasaky ny saim-pisarahana hiteraka fikomiana mivantana. Nilaina ny namelana ny tetik’adiny hivelatra araka izay tena izy hibaribarin’ny tena toetrany eo imason’ny rehetra. Tian’ireo mponina tany an-danitra tokoa i Losifera, ka lehibe ny heriny niasa mangina tamin’izy ireo. Tsy ny mponina any an-danitra ihany no voafaoka ao amin’ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra, fa ny tontolo rehetra nohariny koa; ka noheverin’i Satana fa raha azony taomina hiara-nikomy aminy ireo anjelin’ny lanitra, dia ho voasariny ho amin’izany koa ny izao tontolo izao hafa. Nampiasa hevi-diso sy fitaka izy ka lehibe dia lehibe ny heriny mamitaka. Na dia ireo anjely mahatoky aza tsy afaka nahatsikaritra mazava ny tena toetrany na nahatsinjo izay ho vokatra hitondran’ny asany azy.IFL 9.1
Efa nomem-boninahitra ambony tokoa i Satana, ary nifono zava-miafina loatra ny fihetsiny rehetra, hany ka sarotra ny hamelabelatra tamin’ny anjely ny tena toetry ny asany. Raha tsy efa mivelatra tanteraka araka izay tena maha-izy azy ny fahotana dia tsy hiseho ny maha-zava-dratsy azy. Tsy tsinjon’ireo mponina masina velively ireo vokatra mampidi-doza avy amin’ny fanaovana tsinontsinona ny didin’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany dia nambaran’i Satana fa nikatsaka izay hampitombo ny voninahitr’Andriamanitra sy izay hahasoa ny mponin’ny lanitra manontolo izy.IFL 9.2
Teo amin’ny fiatrehana ny fahotana dia ny fahamarinana sy ny rariny ihany no fiadiana azon’Andriamanitra nampiasaina. I Satana kosa anefa dia nampiasa izay tsy azon’Andriamanitra ampiasaina - dia ny fandroboana sy ny fitaka. Tsy maintsy hazava amin’ny rehetra ny tena toetra amam-panahin’ilay mpisandoka. Tsy maintsy manana fotoana ampy izany izy hanehoany ny tenany amin’ny alalan’ny asa ratsiny.IFL 9.3
Nolazain’i Satana fa avy tamin’Andriamanitra ny korontana niseho tany an-danitra izay vokatry ny nataony. Nambarany fa ny fahavoazana rehetra dia tsy inona fa avy amin’ny tsy fetezan’ny fitondrana nataon’Andriamanitra. Noho izany dia nilaina ny hanaporofoany ny vokatr’ireo fiovana narosony hatao amin’ny lalàn’Andriamanitra. Ny asany ihany no tsy maintsy manameloka azy. Tsy maintsy ho hitan’izao rehetra izao manontolo ilay mpamitaka afa-tsaron-tava.IFL 9.4
Na dia efa tapaka aza fa tsy afaka hijanona any an-danitra intsony i Satana, dia tsy naringan’llay Fahendrena tsy hita fetra izy. Ny fanoavan’ireo noharin’Andriamanitra dia tsy maintsy mifototra amin’ny fiaikena ny fahamarinany ihany. Tsy voaomana hahatakatra ny vokatry ny fahotana ireo mponin’ny lanitra sy ny any an-toerankafa, koa nety tsy ho hitany tamin’izay fotoana izay ny fahamarinana sy ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ny fandringanana an’i Satana. Raha nolevonina tsy hisy avy hatrany izy, dia ho nanompo an’Andriamanitra noho ny tahotra ireny fa tsy noho ny fitiavana. Tsy ho rava tanteraka ny hery miasa mangina avy amin’ilay mpamitaka na ho fongotra hatramin’ny fakany ny toe-tsaina mikomy. Mba hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay, dia tsy maintsy hovelarin’i Satana misimisy kokoa ireo foto-keviny ka ho hitan’ny voary rehetra araka ny tena izy ny fiampangany ny fitondran’Andriamanitra ny fanjakany.IFL 10.1
Ny fikomian’i Satana dia ho vavolombelona maneho amin’izao rehetra izao ny vokatra mahatsiravina ateraky ny fahotana. Ny fanapahan’i Satana dia mampiseho ny vokatry ny fanaovana zinona ny fahefan’Andriamanitra. Ho fefy mandrakizay hiaro ny anjely masina rehetra ny tantaran’io fanandramana mahatsiravina ny amin’ny fikomiana io ary hanafaka azy ireo tsy hanota sy tsy hiharan’ny sazin’izany.IFL 10.2
Rehefa nambara fa tsy maintsy horoahina avy amin’ny toerampahasambarana ilay mpisandoka lehibe sy ireo rehetra niandany taminy, dia nabaribarin’ilay mpitarika ny fikomiana tamin-kasahiana ny fanaovany tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra. Nampangainy ho fameperana ny fahafahan’izy ireo ny didin’Andriamanitra ka nambarany fa ny fikasany dia ny hanao izay tsy maintsy haharava ny lalàna; fa raha afaka amin’ny fameperana ireo tafiky ny lanitra dia hiditra amin’ny fari-piainana ambony kokoa.IFL 10.3
Natambabin’i Satana sy ny tafiny teo amin’i Kristy ny fanamelohana noho ny fikomiany fa raha tsy nomen-tsiny mantsy, hono, izy ireo, dia tsy ho nikomy mihitsy. Voaroaka niala tany andanitra àry ilay mpikomy rain-dahiny sy ireo mpomba azy be kiry sy mpihaika izaitsizy, izay nilaza fa tsy meloka akory kanefa tratry ny tsindrihazolena (jereo ny Apôk. 12:7-9).IFL 11.1
Izany toe-tsain’i Satana izany ihany no mbola manentana koa ny fikomiana etỳ an-tany ao amin’ny zanaky ny tsy fanarahana. Tahaka ny nataon’i Satana dia mampanantena fahafahana ho an’ny olona amin’ny alalan’ny fandikana ny didin’Andriamanitra izy ireo. Mbola mampirongatra ny fankahalana ihany ny fanakianana ny fahotana. Taomin’i Satana ny olona hanamarin-tena sy hitady ny hafa hiandany aminy amin’ny filibany amin’ny fahotana. Tsy manitsy ny fahadisoany izy ireo, fa mampirisika ny fahasosorana amin’ilay mpananatra, tahaka ny hoe ilay mpananatra no niavian’ny olana.IFL 11.2
Ny fanehoana tsy araka ny marina ny toetran’Andriamanitra, toy izay efa nataony tany an-danitra, ka nahatonga ny olona hihevitra an’Andriamanitra ho masiaka sy lozabe, no mbola itarihan’i Satana ny olombelona hanota. Nambarany fa ireo fameperana tsy aradrariny nataon’Andriamanitra no nahatonga ny fahalavoan’ny olona, tahaka ny efa nitaoman’izany azy ho amin’ny fikomiana.IFL 11.3
Tamin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra, dia naneho ny fahamarinany sy ny voninahiny Andriamanitra. Fa rehefa nanota kosa ny olona, dia naneho porofo mampibaribary ny fitiavany Izy tamin’ny nanolorany ny Zanani-lahy Tokana ho faty ho an’ilay taranaka lavo. Eo amin’ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin’Andriamanitra. Asehon’ny fonjan-kevitra mahery vaika avy amin’ny hazo fijaliana fa tsy azo ampangaina velively ho tompon’andraikitra ny amin’ny fahotana ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra.IFL 11.4
Afa-tsarona ny tena toetran’ilay mpamitaka lehibe nandritra ny fotoana niasan’ny Mpamonjy tetý an-tany. Ny fitenenan-dratsy sahisahy nataony tamin’ny nangatahany an’i Kristy hiankohoka teo anatrehany, ny haromotany tsy’nahalala fiatoana nihaza Azy hatraiza hatraiza, ka nanainga ny fon’ny mpisorona sy ny vahoaka hitsipaka ny fitiavany ary hiantsoantso hoe: “Homboy! Homboy!” amin’ny hazo fijaliana Izy - izany rehetra izany dia nahazendana sy nahatezitra an’izao rehetra izao. Nampiasain’ilay andrian’ny ratsy ny heriny rehetra sy ny hafetseny rehetra handringanana an’i Jesôsy. Nampiasa ny olona ho fitaovana enti-mameno fahoriana sy fijaliana ny fiainan’ny Mpamonjy izy. Ny afon’ny fialonana sy haratsiam-panahy, ny fankahalana sy ny valifaty nokoboniny, dia nidedadeda tao Kalvary nandoro ny Zanak’Andriamanitra.IFL 11.5
Ankehitriny dia mihanjahanja tsy misy fialan-tsiny intsony ny fahamelohan’i Satana. Efa nasehony ny tena toetrany. Niseho teo amin’ny tena fahazavany ny fiampangana mandainga nataon’i Satana amin’ny toetran’Andriamanitra. Niampanga an’Andriamanitra ho tsy nitady afa-tsy fanandratan-tena Izy tamin’ny fitakiany fankatoavana tamin’ireo nohariny, ary nolazainy fa raha mitaky fandavan-tena amin’ny hafa rehetra ny Mpamorona, Izy kosa anefa dia tsy mba nandà ny tenany ary tsy mba nahafoy na inona na inona. Hita anefa ankehitriny fa efa naneho ny fahafoizan-tena lehibe indrindra azon’ny fitiavana naseho Ilay Mpanapaka an’izao rehetra izao; fa “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy” - 2 Kôr. 5:19. Mba handringanana ny fahotana dia nampietry ny tenany i Kristy ka nankatò hatramin’ny fahafatesana.IFL 12.1