Misintona ho amin’ny fitiavam-pahafinaretana
Amin’ny mpitia fanaranam-po sy mpankamamy fahafinaretana ary ny mpanaraka ny filan’ny nofo, ny filalaovana angatra dia tsy mitafy endrika mihaja loatra fa amin’ny endriny tsotra kokoa izay mifandrindra amin’ny fironana misy ao anatin’izy ireo. Marihin’i Satana izay fahotana malaky mahazo ny tsirairay, ary dia kendreny tsy ho diso ny fotoana mety hanomezana fahafaham-po ny fironana ho amin’ny ratsy. Alainy fanahy amin’ny alalan’ny tsy fahalalana onony ny olona, mba hampihenany ny hery ara-batana sy aratsaina ary ara-panahy ao aminy. Manimba olona an’arivony izy amin’ny fampanaranam-po ny filàna ambany, ary amin’izany dia manao amboletra amin’ny tenan’ny olona manontolo izy. Ary mba hahatomombana ny asany dia ambarany amin’ny alalan’ireo fanahy fa «ny fahalalana marina dia mametraka ny olona ho ambonin’ny lalàna rehetra»; ary «na inona na inona misy dia mety avokoa»; fa «Andriamanitra tsy manameloka”, ary «tsy ananan-tsiny avokoa ny fahotana rehetra atao». Rehefa voatarika toy izany ny olona hino fa ny faniriana no lalàna ambony indrindra, fa ny atao hoe fahafahana dia ny fahazoa-manao izay zavatra rehetra tian-katao, ary tsy hampamoahana afa-tsy amin’ny tenany ihany ny olona, ka moa ve tokony hahagaga raha manorobona hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy ny faharatsiam-pitondrantena? Olona maro be no dodona dia dodona manaiky ny bitsiky ny filan-dratsy. An’arivony no raofin’i Satana ho ao anaty haratony ireo milaza azy ho mpanaraka an’i Kristy.IFL 44.3
Efa nanome fahazavana ampy anefa Andriamanitra hahazoana mahita ny fandrika. Mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny lahakevitra fototra iorenan’ny filalaovana angatra. Manambara ny Baiboly fa ny maty dia tsy mahalala na inona na inona, fa efa levona avokoa ny fisainany; tsy manana anjara amin’ny fifaliana na amin’ny fahorian’ny olona eto an-tany izy ireny.IFL 45.1