Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Lazaina fa tantara noforonina ny Baiboly

    Ireo fanahy mandainga maka ny endrik’ireo apôstôly dia manao fanambarana mifanohitra amin’izay nosoratan’ireo apôstôly ireo fony izy ireo tety an-tany. Asain’i Satana mino izao tontolo izao fa tantara noforonina fotsiny ny Baiboly, boky sahaza ny taranak’olombelona tany am-piandohany, fa ankehitriny kosa dia boky tokony hoheveriny ho efa lany andro. Ilay Boky hitsarana azy sy ny mpanaraka azy dia apetrany any amin’ny aloka, Ilay Mpamonjin’izao tontolo izao dia ataony eo amin’ny laharan’ny olon-tsotra. Ezahin’ireo olona no ny fisehoan’ny angatra ny hampiseho fa tsy nisy fahagagana velively tamin’ny toe-javatra momba ny fiainan’ny Mpamonjy. Ambarany fa mihoatra lavitra noho ny an’i Jesôsy ny fahagagana vitany.IFL 46.1

    Ankehitriny dia maka endrika kristianina ny fiantsoana avelo. Kanefa tsy azo atao ny mandà na manafina ny fisian’ireny fampianarana ireny. Fa amin’ny endrika isehoany amin’izao andro izao, dia mainka mampidi-doza izy noho ny famitahana mifono hafetsena lalina kokoa ampiasainy. Ankehitriny izy dia miseho ho manaiky an’i Kristy sy ny Baiboly. Hazavaina amin’ny fomba azoazon’ny fo tsy voaova anefa ny Baiboly. Raisina ho matoantoetran’Andriamanitra ny fitiavana, nefa aetry ho toy ny fihetseham-po osaosa izany. Ny fanamelohan’Andriamanitra an-karihary ny fahotana, ny fitakian’ny lalàny masina, dia samy takonana tsy ho hitan’ny maso avokoa. Angano no mitarika ny olona handà ny Baiboly ho fototry ny finoany. Lavina sahala amin’ny teo aloha ihany i Kristy, saingy tsy hay intsony ny manavaka ny fitaka.IFL 46.2

    Vitsy ny olona tena mahafantatra ny hery mamitaky ny famohazana angatra Maro no manandrakandrana izany mba hahafapo fotsiny ny fitiavana tia - jerijery. Mampihoron-koditra azy ny fieritreretana an’izany hoe hitolo-batana hofehezin’ny fanahy izany. Sahisahy mandeha amin’ny toerana voarara anefa izy, ka afaka mampiasa ny fahefany aminy ilay mpandringana manan-kery na dia tsy araka ny sitrapon’izy ireo aza izany. Rehefa voatarika indray mandeha fotsiny izy ireo hampilefitra ny sainy hotarihiny, dia lasany ho babo. Tsy misy afa-tsy ny herin’Andriamanitra, izay omena ho valin’ny vavaka mafana atao, no mahay manafaka ireo fanahy voafandrika ireo.IFL 46.3

    Izay rehetra minia mankamamy fahotana fantatra, dia miantso ny fakam-panahin’i Satana hamely azy. Mampisaraka ny tenany amin’Andriamanitra sy ny fiambenan’ny anjeliny izy ka tsy manampiarovana.IFL 47.1

    «Ary raha lazaina aminareo hoe milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy? Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina» - Isa. 8:19,20.IFL 47.2

    Raha vonona handray ny fahamarinana voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina mikasika ny toetry ny olombelona sy ny maty ny olona, dia tsinjony ao amin’ny filalaovana angatra ny herin’i Satana sy ny fahagagana mandainga ataony. Nefa aleon’ny maro manakimpy ny masony tsy hahita ny mazava ka latsaka ao amin’ny fandriky ny fahavalo. «Satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy Koa izany no ampananteran’ Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga” -2 Tes. 2:10.IFL 47.3

    Izay manohitra ny fampianarana momba ny famohazana angatra dia miady amin’i Satana sy ny anjeliny koa. Tsy hihemotra na dia tsivalandia kely akory i Satana raha tsy ireo mpitondra hafatry ny lanitra no manosika azy hiverina. Azon’i Satana atao ankehitriny, tahaka ny tamin’ny andron’i Kristy, ny mandray ny tenin’ny Soratra Masina ka aolany ny fampianarany. Ireo izay te hijoro amin’izao andro isian’ny loza izao dia tsy maintsy mahafantatra ho an’ny tenany ny fanambaran’ny Soratra Masina.IFL 47.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents