Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo tena mpanaraka an’i Kristy marina

    Na dia eo aza ny fitambotsoran’ny finoana sy ny fitiavam-bavaka hita hatraiza hatraiza, dia misy mpanaraka an’i Kristy marina ao amin’ireny fiangonana ireny. Alohan’ny hampiharan’Andriamanitra ny fitsarany farany amin’ny tany dia hisy fifohazan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo anivon’ny vahoakan’ny Tompo izay tsy mbola hita hatramin’ny andron’ny apôstôly. Harotsaka ny Fanahin’Andriamanitra. Betsaka no hisaraka amin’ireo fiangonana izay efa nanakalo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny Teniny tamin’ny fitiavana an’izao tontolo izao. Betsaka ny mpitandrina sy ny olona no hanaiky amim-pifaliana ireo fahamarinana lehibe izay hanomana vahoaka ho amin’ny fiavian’ny Tompo fanindroany.IFL 50.4

    Tian’ilay fahavalon’ny fanahy ny hisakantsakana io asa io; ary alohan’ny fotoana izay hitrangan’izany fihetsiketsehana izany, dia hiezaka ny hanakana izany izy amin’ny fanaovana hala-tahaka. Hasehony ao amin’ireo fiangonana izay azony tazonina eo ambanin’ny heriny fa mirotsaka ny fitahian’Andriamanitra manokana. Vahoaka marobe no hiravoravo hoe «miasa amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra», nefa asan’ny fanahy hafa izany. Amin’ny endrika ara-pivavahana no hitadiavan’i Satana hanitatra ny heriny miasa mangina eo amin’ny tontolon’ny mpivavaka kristianina. Misy fihetseham-po taitaitra, fampifangaroana ny marina sy ny diso, izay voakendry indrindra hoenti-mandiso lalana.IFL 50.5

    Eo amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra anefa dia tsy sarotra ny mahafantatra ny tena toetran’ireny fihetsiketsehana ireny. Na oviana na oviana ny olona no manao an-tsirambina ny teny vavolombelon’ny Baiboly, ka miala amin’ireny fahamarinana mazava ireny, izay fisedrana ny fanahy ary mitaky fandavan-tena sy fahafoizana an’izao tontolo izao, dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka amin’izany ny fitahian’Andriamanitra. Ary araka ny fitsipika hoe: «ny voany no hahafantaranareo azy» - Mat. 7:16, dia hita marimarina fa tsy asan’ny Fanahin’Andriamanitra ireny fihetsehana ireny.IFL 51.1

    Ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no ampinga miaro amin’ny famitahan’i Satana. Ny fanaovana antsirambina ireny fahamarinana ireny no nampidanadana ny varavarana hidiran’ny ratsy izay miely patrana hatraiza hatraiza ankehitriny eo amin’izao tontolo izao. Azo lazaina fa very tsy eo imaso intsony ny maha-zava-dehibe ny lalàn’Andriamanitra. Ny fiheverana tsy marina momba ny lalàn’Andriamanitra dia nitarika ho amin’ny fahadisoan-kevitra mifandray amin’ny fiovam-po sy ny fanamasinana, ka nampitambotsotra ny filamatry ny fitiavambavaka. Eo no ahitana ny tsiambaratelon’ny tsy fisian’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny fifohazana amin’izao androtsika izao.IFL 51.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents