Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7 - Fiarovana Azo Antoka

    Ny vahoakan’Andriamanitra dia tarihina ho eo amin’ny Soratra Masina izay fiarovana ho azy amin’ny fitaomana mangina avy amin’ny mpampianatra sandoka sy ny hery mamitaka ampiasain’ny fanahin’ny fahamaizinana. Mampiasa izay fitaka rehetra azony atao i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny Baiboly, izay manambara mazava ny fitaka ataony. Isaky ny misy ny fifohazan’ny asan’Andriamanitra, dia mientana hanao asa bebe kokoa ny andrianan’ny ratsy; ankehitriny izy dia manao ny fiezahany mafy indrindra mety ho vitany amin’ny ady farany ataony amin’i Kristy sy ny mpanaraka Azy. Hifanahaka akaiky indrindra amin’ny tena izy ny hala-tahaka ka tsy ho hay ny hanavaka azy raha tsy amin’ny alalan’ny Soratra Masina ihany.IFL 62.1

    Ireo izay miezaka hankatò ny didin’Andriamanitra rehetra dia hisetra fanoherana sy hatao fihomehezana. Mba hahazakany ny fitsapana eo anoloany, dia tsy maintsy mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra araka izay voambara ao amin’ny teniny izy ireo; tsy afaka hanome voninahitra Azy izy raha tsy manana fahalalana marina ny amin’ny toetrany, sy ny fitondram-panjakany ary ny fikasany ka hanao asa mifanaraka amin’izany. Tsy misy afatsy ireo izay nampahatanjaka ny sainy tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly no ho afaka hijoro mandritra ny ady lehibe farany.IFL 62.2

    Talohan’ny nanombohana ny Mpamonjy tamin’ny hazo fijaliana, dia nanazava tamin’ny mpianany Izy fa tsy maintsy hovonoina ka hitsangana avy ao am-pasana, ary nisy anjely nanatrika teo izay nampiorina ny teniny tao an-tsaina sy tao am-pon’ny mpino. Voaroaka tsy tao an-tsain’ny mpianatra anefa ny teny izay tokony ho notsarovany; ka rehefa tonga ny fotoana fitsapana, dia hita fa tsy vonona izy. Nandevona tanteraka ny fanantenana tao aminy ny fahafatesan’i Jesôsy, ohatra ny tsy nilaza na inona na inona taminy mialoha Izy. Toy izany koa, aseho eo anoloantsika ao amin’ny faminaniana ny ho avy amin’ny fomba mazava tahaka ny nanokafan’ny tenin’i Kristy izany teo amin’ny mpianatra. Nefa marobe no tsy mahafantatra ireny fahamarinana lehibe ireny toy ny tsy mbola nanambara velively izany.IFL 62.3

    Rehefa mandefa hafatra fampitandremana izay lehibe indrindra Andriamanitra dia takiny amin’ny olona tsirairay izay manana saina afaka mandanjalanja ny hitandrina izany hafatra izany. Ny fitsarana mahatahotra manameloka ny fiankohofana amin’ny bibidia sy ny sariny (Apôk. 16:9-11), dia tokony hitarika ny rehetra hazoto handinika ireo faminaniana hahafantarany ny atao hoe mariky ny bibidia sy ny fomba tsy handraisany izany. Tsy tian’ny ankamaroan’olona ny fahamarinan’ny Baiboly, satria misakantsakana ny fanirian’ny fony feno fahotana sy tia an’izao tontolo izao izany; koa dia omen’i Satana azy ny fitaka ankamamiany.IFL 63.1

    Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin’ny Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana rehetra. Ny hevitry ny manam-pahaizana, ny fehin-kevitra avy amin’ny «siansa”, ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheveran-draharaha ara-pivavahana, izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon’ny maro an’isa - tsy misy na ny iray amin’ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoenti-manamarina na manohitra fotopampianarana ara-pinoana iray. Alohan’ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny «lzao no lazain’i Jehôvah” mazava hoenti-manohana izany isika. Tarihiny ny olona hijery ny eveka, ny mpitandrina, ny mpampianatra teôlôjia, ho mpitari-dalana azy, fa tsy handinika ny Soratra Masina ho an’ny tenany mba hahafantarany ny adidiny. Amin’izay, rehefa mifehy ny sain’ireo mpitarika ireo izy, dia azony atao ny miasa mangina amin’ny olona maro araka ny sitrapony.IFL 63.2

    Raha tonga i Kristy, dia nihaino Azy tamim-pifaliana ny besinimaro. Tapa-kevitra anefa ny filohan’ny mpisorona sy ireo olona mpitarika tao amin’ny firenena fa hanameloka sy hitsipaka ny fampianarany; notsipahiny ny porofo mazava indrindra ny mahaMesia Azy, “Inona no antony mahatonga ireo loholona sy mpanora-dalàna ary manam-pahaizana tsy hino an’i Jesôsy? ’’ hoy ny fanontaniany. Ny mpampianatra toy izany no nitarika ny firenena jiosy handà ny Mpanavotra azy.IFL 63.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents