Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny adidy voalohany sy ambony indrindra

    Tsy ampy ny manana fikasana tsara; tsy ampy ny manao izay heverin’ny olona fa marina, na izay lazain’ny mpitandrina fa marina. Rehefa ny famonjena ny fanahiny no voakasika dia tokony handinika ny Soratra Masina ho an’ny tenany ny tsirairay. Manana sarintany manondro ny famantaran-dalana rehetra eo amin’ny diany mankany an-danitra izy, ka tsy misy na inona na inona tokony hataony tombantombana fotsiny.IFL 65.3

    Adidy voalohany indrindra sy ambony indrindra mipetraka amin’ny olona misaina rehetra ny mianatra ny fahamarinana avy amin’ny Soratra Masina, ary manaraka izany dia ny mandeha amin’ny fahazavana sy ny mampahery ny hafa hanaraka ny ohatra omeny. Tokony hamolavola ny hevitry ny tenantsika amin’ny fanampian’Andriamanitra isika satria isika ihany no hampamoahana ny amin’ny tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra.IFL 65.4

    Ireo fahamarinana izay ambaran’ny Baiboly amin’ny fomba mazava indrindra dia nampidiran’ny manam-pahaizana fisalasalana sy haizina; manam-pahaizana izay mihambo ho manampahendrena lalina ka mampianatra fa ny Soratra Masina dia misy heviny miafina ara-panahy izay tsy miharihary eo amin’ny teny ampiasaina. Mpampianatra sandoka ireny olona ireny. Raha raisin’ny olona araka ny amakiany azy ny Baiboly dia hisy asa ho vita izay hahatonga ny olona arivoarivo izay mirenireny ao amin’ny hevi-diso ankehitriny ho tafiditra ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy.IFL 65.5

    Betsaka ny teny ao amin’ny Soratra Masina izay lazain’ny manam-pahaizana ho zava-miafina, no dinganiny ho tsy misy lanjany firy, no feno fampiononana sy toro hevitra ho an’izay efa nampianarina tao amin’ny sekolin’i Kristy. Tsy miankina loatra amin’ny fahaizana ara-tsaina entina mandinika ny tenin’ny Baiboly ny fahazoana izany fa amin’ny fananana fikendrena tokana, dia ny faniriana lalina ny fahamarinana.IFL 66.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents