Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny vokatry ny fanaovana an-tsirambina ny fivavahana sy ny fianarana Baiboly

    Tsy tokony hosarahina velively amin’ny fivavahana ny fianarana ny Baiboly. Ny Fanahy Masina irery no afaka hahatonga antsika hahatsapa ny hasarobidin’ireo fanambarana mora raisina ao anatiny, na hisakana antsika tsy hanolana ireo fahamarinana sarodraisina. Anjara asan’ny anjelin’ny lanitra ny manomana ny fo hahafantatra ny hevitry ny tenin’Andriamanitra amin’ny fomba izay hahatonga antsika ho babon’ny hakantony, handray fananarana amin’ny fampitandremana ataony, na hovelombelomin’ireo teny fikasany sy handray hery avy amin’izany. Matetika toa tsy azo toherina ny fakam-panahy satria, noho ny fanaovan’izay alaimpanahy an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Baiboly, dia tsy afaka hahatsiaro avy hatrany ny teny fikasan’Andriamanitra izy ka tsy vonona hisetra an’i Satana amin’ny fiadian’ny Soratra Masina. Manodidina izay maniry hampianarina ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra anefa ny anjely; koa amin’ny fotoana mahaporitra indrindra dia hampahatsiarovan’izy ireo azy ny fahamarinana tena ilainy.IFL 66.2

    «Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo» - Jao. 14:26. Tsy maintsy voatahiry ao antsaintsika mialoha anefa ny fampianaran’i Kristy mba hahazoan’ny Fanahin’Andriamanitra mampahatsiaro ireny amintsika amin’ny andro sarotra.IFL 66.3

    Miankina amin’ny lalan-kizorantsika ankehitriny ny fahasambarantsika amin’ny hoavy sy ny famonjena ny fanahy hafa koa. Tokony hanontany mafy ny tenany ny mpanaraka an’i Kristy marina ka hanao hoe: «Tompo ô, inona no tianao hataoko?” Tokony hikatsaka fanandramana lalina ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra isika amin’izao fotoana izao. Tsy manam-potoana holanilaniana foana isika. Eo amin’ny tany mahasondriana izay an’i Satana isika. Aza matory, ry mpitilin’Andriamanitra!IFL 67.1

    Maro no miarahaba tena amin’ny ratsy tsy ataony ka manadino ny asa tsara sy mendrika takin’Andriamanitra aminy, nefa nataony an-tsirambina. Fa tsy maintsy manatanteraka izay tadiaviny amin’ny alalan’ny famokarana izy. Tazonin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ireo asa tsara izay tokony ho vitany noho ny fahasoavany izy, nefa tsy tontosany. Voasoratra ho toy ny mibahana foana amin’ny tany izy ao amin’ny bokin’ny lanitra. Mbola mitalaho amin’ireo izay nanao tsinotsinona ny famindrampony Andriamanitra sy manararaotra ny fahasoavany hanatona ihany ny fon’llay Fitiavana be fahari-po.IFL 67.2

    Amin’ny fahavaratra dia tsy misy fahasamihafana firy ny hazo maitso lalandava sy ny hazo sisa rehetra; fa rehefa mitsoka kosa ny rivo-panalan’ny ririnina, dia tsy miova ny hazo maitso lalandava, fa ringitra tsy misy ravina intsony kosa ny hazo hafa. Aoka hipoitra ny fanoherana, aoka hanjaka indray ny fitiavam-bavaka diso toerana sy tsy mahay mandefitra, aoka hirehitra indray ny fanenjehana, dia hirindrona avokoa ny manana toetra matimaty sy ny mihatsaravelatsihy ka handao ny finoany; fa hijoro tsy ho azo hozongozonina tahaka ny vatolampy kosa ny tena Kristianina marina, hihamatanjaka ny finoany, hamirapiratra kokoa ny fanantenany, mihoatra noho ny tamin’ny androm-piadanana.IFL 67.3

    Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.” - Jer. 17:8IFL 67.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents