Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 8 - Ho Fiarovana Ny Fahamarinana

    Ny fiankohofana eo anatrehan’Andriamanitra dia mifototra eo amin’ny maha-Mpahary Azy. “Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika“Sal. 95:6.IFL 68.1

    Ao amin’ny Apôk. 14, dia antsoina ny olona hiankohoka hiankohoka eo anoloan’ny Mpamorona sy hitandrina ny didin’Andriamanitra. Ny iray amin’ireo didy ireo dia manondro mivantana an’Andriamanitra amin’ny maha-Mpamorona Azy. Hoy ny ambaran’ny didy fahefatra: ” Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito (...) henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito, izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy” - Eks. 20:10,11. Mikasika ny Sabata dia hoy i Jehôvah: ” famantarana (...) ahafantaranareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo” - Ezek. 20:20, izany. Raha notandremana eran’izao tontolo izao ny Sabata, dia ho voatarika ho eo amin’ny Mpamorona ny saina sy ny fitiavan’ny olona, amin’ny maha-tokony hanajana Azy sy hiankohofana Aminy, ary tsy ho nisy velively mpanompo sampy, na mpandà ny fisian’Andriamanitra, na tsy mpino. Ny fitandremana ny Sabata no famantarana ny firaketam-po amin’Andriamanitra marina, “Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny loharano”. Noho izany ny hafatra izay mibaiko ny olona hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia miantso azy ireo amin’ny fomba manokana hitandrina ny didy fahefatra.IFL 68.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents