Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Finoana sy herim-po

    Tsy sitrapon’Andriamanitra ny hampirenireny an’i Isiraely nandritra ny efapolo taona tany an’efitra; niriny ny hitari-dalana azy mivantana ho any amin’ny tany Kanana ka hampitoetra azy ao ho vahoaka masina sady sambatra. “Nefa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany” - Heb. 3:19. Araka izany, dia tsy sitrapon’Andriamanitra ny maha-ela toy izany ny fiavian’ny Tompo sy ny ijanonan’ny vahoakany taona maro toy izao eto amin’ity izao tontolo izao feno fahoriana ity. Fa nampisaraka [ny vahoakany] tamin’Andriamanitra ny tsy finoana. Famindrampony ho an’izao tontolo izao no nahatonga an’i Jesôsy hampihemotra ny fiaviany, mba hisian’ny fotoana mety handrenesan’ny mpanota ny hafatra fampitandremana ka hahitany fialofana ao Aminy alohan’ny hirotsahan’ny fahatezeran’Andriamanitra.IFL 72.4

    Ankehitriny, tahaka ny tamin’ny andro teo aloha, dia hampihetsika ny fanoherana ny fanehoana ny fahamarinana. Betsaka no nanapa-kevitra hanaratsy ny toetra sy ny fanahy manosika ireo izay mijoro hiaro ny fahamarinana tsy maro mpitia. Nolazaina fa mampidi-doza an’i Isiraely i Elia, i Jeremia mpamadika, i Paoly mpandoto ny tempoly. Hatramin’izany andro izany ka mandraka androany, izay mijoro ho mahatoky amin’ny fahamarinana dia ampangaina ho mpikomy, ho ” heretika”, ho mpisaratsaraka.IFL 73.1

    Ny fanehoam-pinoana nataon’ireo olo-masina sy ireo maritiora, ireny ohatra velon’ny fahamasinana sy ny fahatokiana matotra mafy orina ireny dia tafapaka amin’ireo izay antsoina ankehitriny hijoro ho vavolombelona ho an’Andriamanitra mba hampahery azy. Izao no baiko nomena ny mpanompon’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany: ” Ezaho ny fiantsoanao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara, ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany“Isa. 58:1. “Hianao dia efa notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Isiraely; ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako hianao, dia izany no entinao mananatra azy” - Ezek. 33:7.IFL 73.2

    Ny sakana lehibe eo amin’ny fanekena ny fahamarinana dia izy arahin’ny fanorisorenana sy ny fanabantiana. Io no hany fonjankevitra manohitra ny fahamarinana izay tsy mbola ahitan’ireo mpomba azy valiny. Nefa tsy mampihemotra ny tena mpanaraka an’i Kristy izany. Tsy miandry ny fahamarinana ho tonga mamimbahoaka izy vao hitory izany. Manaiky an-tsitrapo ny hazo fijaliana izy ary toa ny apôstôly Paoly dia heveriny fa ” ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay”; ary miaraka amin’ilay mpaminany fahiny dia ” manao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta” izy (2 Kôr. 4:17; Heb. 11:26).IFL 73.3

    Aoka isika hisafidy ny marina noho ny maha-marina azy, ary avelantsika ho an’Andriamanitra izay ho vokany. Ny olona mijoro amin’ny foto-kevitra tsy miovaova, eo ambonin’ny vatolampin’ny finoana sy afaka hitondra fanavaozana lehibe eto amin’izao tontolo izao. Olona toy izany no tsy maintsy hampandroso ny asa fanavaozana ho amin’izao vaninandro izao.IFL 74.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents