Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 9 - Ny Tena Fanantenana

    Ny teny fikasana momba ny fiverenan’i Kristy fanindroany mba hamarana ilay asa fanavotana lehibe no fanalahidin’ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatrany Edena no efa niandry ny fiavian’llay Nampanantenaina mba hamerina azy ireo indray ho ao amin’ilay Paradisa very ireo zanaky ny finoana.IFL 75.1

    I Enôka, izay taranaka fahafito monja avy tamin’ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin’Andriamanitra, dia nilaza nanao hoe: ” Indro (...), tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra” - Joda 14,15. Raha tao anaty alim-pahoriana nahazo azy i Jôba patriarka dia niteny tamintoky tsy azo nohozongozonina hoe: ” Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy (...) Sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa’’ - Jôba 19:25-27. Ny fiavian’i Kristy no aingampanahy nanesika ireo mpanao tononkalo sy ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly tamin’ny alalan’ny teny tomarataratry ny afon’ny lanitra. “Aoka ho faly ny lanitra, ary ho ravoravo ny tany (...) eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy eny avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany” - Sal. 96:11-13.IFL 75.2

    Hoy ny mpaminany Isaià: “Ary holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika .” Isa. 25:9.IFL 75.3

    Nampahery ny mpianany ny Mpamonjy tamin’ny nanomezany azy toky fa ho avy indray Izy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro (...) Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha (...) Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko“. ” Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany” - Jao. 14:2,3; Mat. 25:31,31.IFL 75.4

    Ireo anjely dia namerina tamin’ny mpianatra ny teny fikasana ny amin’ny fiverenany: ” Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra ” - Asa. 1:11. Ary izao no teny vavolombelona nataon’ny apôstôly Paoly: ” Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra ” - 1 Tes. 4:16. Hoy ilay mpaminany tao amin’ny nosy Patmô: ” Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy ” - Apôk. 1:7.IFL 76.1

    Amin’izay dia ho tapaka ilay fanapahan’ny ratsy efa naharitra ela dia ela; ka “ny fanjakana amin’izao tontolo izao” dia hanjary “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay ” - Apôk. 11:15. ” Dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra ” - Isa. 61:11.IFL 76.2

    Amin’izay dia ho tafaorina ety ambanin’ny lanitra rehetra ilay fanjakan’ny Mesia be fiadanana: “Fa Jehovah mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao efitra ao ho tahaka an’i Edena ary ny tany foana ao tahaka ny sahan’i Jehovah” - Isa. 51:3.IFL 76.3

    Ny fiavian’ny Tompo no fanantenana nandritra ny taonjato rehetra ho an’ireo tena mpanaraka Azy marina. Teo anivon’ny fahoriana sy ny fanenjehana dia “ny fisehoan’ (...) Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” no “fanantenana mahafinaritra ” - Tit. 2:13. Nanondro ny fitsanganana amin’ny maty izay hisy amin’ny fiavian’ny Mpamonjy i Paoly. Amin’izay dia hitsangana ny maty ao amin’i Kristy ka hakarina miaraka amin’ny velona “hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika ”, hoy izy. ” Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany ’’-1 Tes. 4:17,18.IFL 76.4

    Tao Patmô no nandrenesan’ilay mpianatra malala ny teny fikasana hoe: “Eny avy faingana Aho”; ary ny valin-teniny dia famintinana ny ranom-bavaky ny fiangonana: ” Amena. Avia Jesosy Tompo!’’Apôk. 22:20.IFL 76.5

    Avy any am-ponja, avy eny amin’ny antontan-kitay fandoroana velona, avy eny amin’ny lampihazo fanapahan-doha izay nitsanganan’ny olona masina sy ny martiora ho vavolombelon’ny fahamarinana, no amakivakian’ny antson’izy ireny mitory finoana sy fanantenana nandritra ireo taonjato nifandimby. Satria azony antoka ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, ary noho izany dia azony antoka koa ny hitsanganan’ny tenany amin’ny fiavian’i Kristy, dia hoy ny anankiray tamin’ireo Kristianina ireo: “nanao tsinontsinona ny fahafatesana izy, ary tafasondrotra ambonin’izany “. - The Reign of Christ on Earth; or, The Voice of the Church in All Ages, Daniel Taylor, t. 33. Izany finoana izany koa no nankamamian’ireo ‘Vaudois’ - Ibid, tt. 129-132. Nitazana tamimpinoana ny fisehoan’ny Mpanavotra i Wicleff, i Lotera, i Calvin, i Knox, i Ridley, ary i Baxter. Toy izany ny fanantenan’ny fiangonana apôstôlika sy ny an’ilay “fiangonana tany an-efitra”, ary ny an’ireoMpanavao fivavahana.IFL 76.6

    Tsy milaza fotsiny ny fomba sy ny anton’ny fiavian’i Kristy fanindroany ny faminaniana fa mampiseho koa fambara hahalalan’ny olona ny fahakekezany. Hoy Jesôsy: ” Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana” - Lio. 21:25. ” Ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ny lanitra. Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra ” - Mar. 13:24-26. Toy izao no filazan’ny mpanoratra ny Apôkalipsy ny amin’ilay famantaranavoalohany mialoha ny fiavian’i Jesôsy fanindroany: “Dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana“Apôk. 6:12.IFL 77.1

    Nambaran’ny Mpamonjy mialoha ny fihemorana izay hialoha indrindra ny fiaviany fanindroany. Ho an’ireo izay velona amin’io fotoana io ny fampitandremana nataon’i Kristy hoe: “Mitandrema fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sý ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany”. “Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona“Lio. 21:34,36.IFL 77.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents