Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny andron’ny Tompo

    Hoy ny mpaminany Isaià: «Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny manavy ny andriamanibolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany - izay nataony hiankohofany eo anatrehany - mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany lzy» - Isa. 2:20,21.IFL 88.3

    Ireo izay nahafoy ny zavatra rehetra noho i Kristy dia eo amin’ny toerana azo antoka ankehitriny, voaafina ao amin’ny fieren’i Jehôvah izy ireo. Teo anatrehan’izao tontolo izao sy teo anatrehan’ny fahafatesana dia nampiharihary ny fijoroany ho an’llay efa maty nisolo azy izy ireo. Ny endriny izay hatsatra, mitory tebiteby sy harerahana vao vetivety teo, ankehitriny dia mamirapiratry ny fahagagana. Manandratra ny feony hanao hiram-pandresena izy ireo manao hoe: «Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany» - Sal. 46:1-3.IFL 88.4

    Raha miakatra ho any amin’Andriamanitra ireo teny milaza fahatokiana masina ireo, dia mitosaka avy eo amin’ny vavahady midanadana ny voninahitr’ilay tanànan’ny lanitra. Amin’izay dia misy tanana miseho eny amin’ny lanitra mitana vato fisaka roa. Io lalàna masina io, ilay nomena tao Sinay, no aseho amin’ny olona ankehitriny ho fitsipiky ny fitsarana. Mazava indrindra ny teny ka azon’ny rehetra vakina. Mifoha ny fitadidiana. Voaroaka tsy ho ao an-tsain’ny rehetra ny haizin’ny finoanoam-poana sy ny hevi-diso.IFL 89.1

    Tsy hay lazaina ny horohoro sy ny famoizam-pon’ireo izay nanitsakitsaka ny didy masina nataon’Andriamanitra hotandremana. Mba hahazoany ny fankasitrahan’izao tontolo izao, dia notsipahiny ny foto-kevitr’ireo didy ireo ary nampianariny handika izany ny hafa. Ankehitriny izy dia voahelok’ilay lalàna nohamavoiny. Hitany fa tsy misy fialan-tsiny ho azy. Manana fahitana vaovao ny amin’ny fahamarinana sy ny adidiny izao ireo fahavalon’ny lalàn’Andriamanitra. Diso aoriana loatra ny ahitany fa ny Sabatan’ny didy fahefatra no tombokasen’Andriamanitra velona. Diso aoriana loatra ny ahitany ny tena toetry ny sabata sandoka narahiny sy ny nanorenany ny fiainany teo ambonin’ny fasika. Niady tamin’Andriamanitra izy. Nitarika ny fanahy ho amin’ny fahaverezana ireo mpampianatra ara-pivavahana, nefa nilaza ho nitarika azy ho any amin’ny Paradisa. Lehibe loatra ny andraikitry ny olona manao ny asa masin’Andriamanitra ary zavadoza no vokatry ny tsy fahatokiany!IFL 89.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents