Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fitsanganan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny maty

    Re ny feon’ny Zanak’Andriamanitra miantso hifoha ny olomasina matory. Eran’ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran’ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran’izay lehibe avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. Mivoaka avy amin’ny tranomaizin’ny fahafatesana izy ireny, mitafy voninahitra mandrakizay, ary miantso hoe: «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao, ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” - 1 Kôr. 15:55.IFL 92.2

    Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin’ny fony izy ireo tao am-pasana. Nefa samy mitsangana amin’ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. Tonga i Kristy hamerina indray izay efa very. Hanova ny tenan’ity fietrena ity hitovy amin’ny tenan’ny voninahiny Izy. Ny endrika mety maty, mety Io, efa voaloton’ny fahoriana teo aloha dia manjary tonga lafatra, kanto ary tsy mety maty. Navela tao am-pasana ny kilema sy sampontsapona rehetra. Tafaverina amin’ny bika aman’endrika feno teo amin’ny voninahiny tany amboalohany ireo navotana ka «hitombo ” (Mal. 3:20). Ho afaka ny taratra farany navelan’ny ozon’ny fahotana, ka hitaratra ny fahatsaran-tarehin’ny Tompo Andriamanitsika ireo nahatoky tamin’i Kristy, eo amin’ny saina sy ny fanahy ary ny tenany izay mampiseho ny fahatanterahan’ny endriky ny Tompo.IFL 92.3

    Vetivety toy ny indray mipi-maso no hanovana ny marina mbola velona. Amin’ny fandrenesana ny feon’Andriamanitra dia hatao tsy mety maty intsony izy ary entina hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka miaraka amin’ny olo-masina natsangana tamin’ny maty. Angonin’ny anjely avy amin’ny vazan-tany efatra ireo olom-boafidin’Andriamanitra. Entin’ny anjely masina ho eny an-trotroan-dreniny ny zanany madinika. Tafaray ny mpisakaiza nosarahin’ny fahafatesana, tsy hisaraka intsony, ary mandredona hiram-pifaliana izy ireo raha miara-miakatra ho any amin’ny tanànan’Andriamanitra.IFL 92.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents