Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilay fanafihana farany hatao amin’Andriamanitra

    Mila hevitra amin’ny anjeliny i Satana, mahita ny hery sy ny isan’ireo miandany aminy izy, ka ambarany fa vitsy ny tafika ao an-tanàna raha ampitahaina amin’ny azy, koa dia azony resena. Misy mpanao taozavatra havanana manefy fitaovam-piadiana. Ireo mpitari-tafika fanta-daza amin’ny fahombiazany, no mandamina ny vahoaka marobe lian’ady ho andiany sy vondrona.IFL 100.2

    Amin’ny farany dia homena ny baiko handroso, ka indreo vahoaka marobe tsy hita isa no mihetsika - dia tafika miezinezina tsy mbola nisy mpitari-tafika na iza na iza teto an-tany. I Satana ilay mpiady mahery indrindra no loha-lalana. Manaraka azy ny mpanjaka sy ny mpifehy mahery. Mandroso amim-pilaminana toy ny famindran’ny miaramila ireo laharana mifanizina mamakivaky ny tany mitriatriatra sy mikotoantoana, manatona ny Tanànan’Andriamanitra. Noho ny baikon’i Jesôsy dia akatona ny vavahadin’i Jerosalema Vaovao, ary dia manodidina ny tanàna ireo tafik’i Satana, vonon-kirohotra hamely azy.IFL 100.3

    Miseho indray ho hitan’ireo fahavalony izao i Kristy. Ery ambony lavitra noho ny tanàna dia misy seza fiandrianana avo sy manerinerina mitoetra amin’ny fototra volamena mamirapiratra. Eo amin’io seza fiandrianana io no mipetraka ny Zanak’Andriamanitra ary manodidina Azy ny vahoaky ny fanjakany. Manodidina ny Zanany ny voninahitry ny Ray Mandrakizay. Mameno ny Tanànan’Andriamanitra ny famirapiratan’ny fanatrehany, ary mihanaka ivelan’ny vavahady ka mameno ny tany manontolo amin’ny famirapiratany.IFL 101.1

    Efa akaikin’ny seza fiandrianana indrindra no ahitana izay efa narisika ho an’i Satana teo aloha, nefa toa forohana nosarihana tamin’ny afo ka nanaraka ny Mpamonjy taminkafanam-po niredareda sy lalina. Manarakaraka dia ireo izay namolavola toetra Kristianina tanteraka teo anivon’ny hevi-diso sy ny tsy finoana an’Andriamanitra, ireo nanaja ny lalàn’Andriamanitra raha niray feo nanambara ny Kristianina erantany fa foana izany, ary koa ireo an-tapitrisany, nandritra ny fotoana rehetra nifandimby, maty maritiora noho ny finoany. Farany dia, indreo, «olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny (...) niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampandrofia teny an-tànany ” - Apôk. 7:9. Vita ny adiny, azony ny fandresena. Nahatanteraka ny fihazakazahana izy ka nahatratra ny loka. Ny sampan-drofia eny an-tanany dia tandindon’ny fandresena, ny fitafiana fotsy dia mampiseho ny fahamarinan’i Kristy tsy misy pentina izay azy ankehitriny.IFL 101.2

    Ao amin’ireo vahoaka mamirapiratra ireo dia tsy misy na iray aza milaza fa avy amin’ny tenany ny famonjena, ka nandresy tamin’ny alalan’ny herin’ny tenany sy ny fahatsaran’ny tenany izy. Tsy misy na inona na inona lazainy momba izay nataony na izay niaretany; fa ny ventin-kevitry ny hira rehetra, ny foto-kevitra kaloin’ny antema rehetra dia izao: «Ny famonjena anie ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’ondry”.IFL 101.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents