Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiafarana mahatsiravina ho an’ny ratsy fanahy

    Tsy miova fenitra akory ny toetrany amam-panahin’i Satana. Mitroatra indray, tahaka ny rian-drano mahery, ny toe-tsaina mikomy ao aminy. Vinitra izy ka tapa-kevitra fa tsy hilefitra eo amin’ilay ady lehibe. Nefa amin’ireo vahoaka an-tapitrisany tsy tambo isaina ireo izay tarihiny hikomy dia tsy misy na iray aza ankehitriny manaiky ny fanapahany tsy refesi-mandidy. Mifarana hatreo ny fahefany. Feno fankahalana an’Andriamanitra toa an’i Satana koa ny fon’ny ratsy fanahy; hitan’ireo anefa fa tsy misy fanantenana intsony ny aminy.IFL 106.4

    Hisy lelafo mandevona hivoaka avy amin’ny lavaka mangotanatana rehetra.IFL 107.1

    Na dia ny vatolampy aza hirehitra , ary «ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy» - 2 Pet. 3:10. Tahaka ny fonjam-by voaempo ny vohon’ny tany - farihy afo midadasika, misamboaravoara. Izao no andro «fitsarana sy fandringanana ny olona ratsy fanahy». « Fa Jehovah manana andro famaliana dia taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona» - Isa. 34:8.IFL 107.2

    Mandray ny valin’asany eto an-tany ny ratsy fanahy (Ohab. 11:31). Samy hofaizina «araka ny asany” avy izy. Efa nafindra tamin’i Satana ny fahotan’ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’Andriamanitra koa. Amin’ny farany dia ho levon’ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, «na ny fakany na ny sampany». I Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampany. Nampiharina ny famaizana feno noho ny fandikan-dalàna; afa-po ny fitakian’ny fahamarinana.IFL 107.3

    Mifarana ho mandrakizay ny asa fandravana ataon’i Satana Ankehitriny dia afaka mandrakizay amin’ny fanatrehany sy ny fakam-panahy ny zavaboary.IFL 107.4

    Raha mbola voasaron’ny afo fandringanana ny tany, ny marina kosa mitoetra tsy manana ahiahy ao amin’ny Tanàna Masina. Afo mandevona ho an’ny ratsy fanahy Andriamanitra, fa «Masoandro sy Ampinga ” kosa ho an’ny olony (Apôk. 20:6; Sal. 84:11).IFL 107.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents