Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manohitra ny drafitr’Andriamanitra ny anjely ratsy

    Ireo fanahy ratsy, izay noharina tsy nanana ota tamin’ny voalohany, dia nitovy toetra sy hery ary voninahitra tamin’ny anjely masina izay mpitondra hafatr’Andriamanitra ankehitriny. Fa rehefa lavo noho ny fahotana izy, dia nivondrona hanala baraka an’Andriamanitra sy handringana ny olombelona. Niandany tamin’i Satana izy tamin’ny fikomiana nataony, ary miara-miasa aminy eo amin’ny ady ataony hanoherana ny fahefan’ Andriamanitra.IFL 18.2

    Ny tantara ao amin’ny Testamenta Taloha dia milaza ny amin’ny fisian’izy ireo; fa nandritra ny fotoana naha-teto an-tany an’i Kristy no nanehoan’ireo anjely ratsy ny heriny tamin’ny fomba manaitra indrindra. Tonga i Kristy hanavotra ny olona, koa tapakevitra i Satana hifehy an’izao tontolo izao. Nahomby izy tamin’ny fanorenana ny fanompoan-tsampy manerana an’izao tontolo izao, afa-tsy tany Palestinina ihany. Teo amin’ny tany izay hany tsy nilefitra tanteraka tamin’ny fanapahan’ilay mpaka fanahy no nahatongavan’i Kristy. Nanatsotra ny sandrim-pitiavany i Jesôsy, niantso izay rehetra nety mba hahita famelan-keloka sy fiadanana ao Aminy. Hitan’ireo tafiky ny maizina fa raha mahomby ny iraka nampanaovina an’i Kristy, dia hifarana tsy ho ela ny fanapahany.IFL 18.3

    Aseho mibaribary ao amin’ny Testamenta Vaovao fa nisy olona nitoeran’ny demonia. Ny olona azon-doza toy izany dia tsy voan’ny aretina avy amin’ny antony mahazatra fotsiny. Tsapan’i Kristy mazava ny fanatrehana mivantana sy ny asan’ny fanahy ratsy. Ireo demôniaka tany Gadarena, adala mahantra, izay nanifakifaka izay rehetra namatotra azy, niolanolana, nandoa vory, romodromotra, dia nanao herisetra tamin’ny tenany ary nampidi-doza izay rehetra nanatona azy. Finaritra mijery ny tenan’izy ireo nivoa-dra sy rotidrotika ary ny sainy very ilay andrianan’ny maizina. Hoy ny anankiray tamin’ireo demonia izay nifehy ireo olona fadiranovana ireo: «Legiona no anarako, satria maro izahay» - Mar. 5:9. Tao amin’ny tafika rômanina, ny legiona dia nisy telo arivo ka hatramin’ny dimy arivo lahy. Rehefa nibaiko i Jesôsy dia nialan’ny demonia ireto olona nampahoriny, ka lasa tony, vory saina, ary nalemy paika. Nifaoka andian-kisoa ho any an-dranomasina ireo demonia ary ho an’ireo mponina tao Gadarena dia navesa-danja kokoa ny fatiantoka tamin’ny kisoa noho ny fitahiana izay nomen’i Kristy, koa dia niangavy an’llay Mpanasitrana avy any an-danitra handeha izy ireo. Jereo ny Mat. 8:23-34. Tamin’ny nanomezany tsiny an’i Jesôsy noho ny fatiantoka nanjo azy ireo no namohazan’i Satana tahotra nombam-pitiavan-tena tao amin’ny vahoaka, ka nisakanany azy ireo tsy hihaino ny teniny.IFL 19.1

    Navelan’i Kristy handringana ny andian-kisoa ny fanahy ratsy ho famaizana ireo Jiosy izay niompy ireny biby maloto ireny hahazoam-bola. Raha tsy noho ny fisakanan’i Kristy ny demonia dia tsy ny kisoa ihany no ho nazeran’izy ireo tany andranomasina, fa na dia ny mpiandry sy ny tompony koa aza.IFL 19.2

    Ankoatra izany, dia navela hitranga io toe-javatra io mba hahitan’ny mpianatra maso ny hery mahatsiravina ananan’i Satana eo amin’ny olona sy ny biby, mba tsy hahatonga azy ireo ho voafitaky ny saim-petsy ataony. Sitrapon’i Kristy koa ny hahitan’ny olona ny heriny manapaka ny fanandevozan’i Satana sy manafaka ny babony. Ary na dia lasa aza ny tenan’i Jesôsy, ireo olona izay nafahany tamin’ny fomba mahagaga kosa dia nijanona hanambara ny famindrampon’llay nanao soa taminy.IFL 19.3

    Misy ohatra hafa koa voarakitra ao amin’ny Soratra Masina: Ny zanakavavin’ilay vehivavy sirô-foinikianina nampijalin’ny devoly fatratra izay noroahin’i Jesôsy tamin’ny alalan’ny teniny (Mar 7:2530); nisy zazalahy iray azom-panahy izay nampianjera azy «matetika tao anaty afo sy tao anaty rano hamonoany azy” - Mar. 9:17-27, ilay olona very saina nampahorin’ny «fanahin’ny demonia maloto» - Lio. 4:33-36, ka nanakorontana ny Sabata milamina tao amin’ny sinagôga tany Kapernaomy - ireo rehetra ireo dia samy nositranin’llay Mpamonjy avokoa. Tamin’ny ankabeazany, dia niteny tamin’ny demonia toy ny tamin’ny manan-tsaina i Kristy, nandidy azy tsy hampahory intsony ny olona azony. Talanjona ireo mpivavaka tany Kapernaomy, raha nahita ny heriny mahagaga, ka niresaka hoe: «Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto dia nivoaka ireo» - Lio. 4:36.IFL 20.1

    Mba hahazoany hery ambony noho izay ananan’ny olombelona dia nisy ny sasany izay nandray tsara ny hery miasa mangina avy tamin’i Satana. Mazava ho azy fa tsy niady tamin’ny demonia izy ireo. Anisan’ireny ireo izay nanana fanahy mahavaly, - i Simôna mpanao ody/majika, i Elimà mpanao fanafody, ary ilay zazavavy nanaraka an’i Paoly sy i Silasy tany Filipy. Jereo ny Asa. 8:9,18; 13:8; 16:16-18.IFL 20.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents