Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 65 — Ny Valisoan’ny Faharisihana sy Fitandremana Tsara

    Aoka ny tanora hahatsiaro fa ny fahalainana dia manary ireo fanandramana sarobidy azo amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy andavanandro eo amin’ny fiainana. Izay malaina ary minia tsy te hahalala dia mametraka ny tenany eo amin’ny lalana izay hisy sakantsakana mandrakariva. Mandà ny fahaiza-miaina azo avy amin’ny fanaovana asa amim-pahatokiana izy. Mandroba an’Andriamanitra izy amin’ny fandavana tsy ho tanana manampy ho an’ny taranak’olombelona. Ny asa aman-draharahany dia hafa lavitra noho ny asa aman-draharaha izay voatendrin’Andriamanitra ho azy; ny fanaovana tsinontsinona ny asa fanampiana dia mampirisika ny filana ambany ary mazava ho azy fa mampahalemy tsy ho afa-mihetsika ireo hery mahasoa ao amin’ny vatana.HAT 183.3

    Tsy vitsy fa an’arivony amin’ny olombelona no velona mba hihinana fotsiny ireo tombontsoa izay noho ny famindrampon’Andriamanitra dia omeny azy ireo. Manadino ny hitondra ny fanati-pisaorana ho an’ny Tompo noho ireo harena izay nankinina taminy tamin’ny fanomezana azy ireo ny vokatry ny tany Hadinon’izy ireo fa irin’Andriamanitra ny hahatonga azy ireo ho mpamokatra sady mpihinana eo amin’ny fampiasana amim-pahendrena ireo talenta nomena azy ireo. Raha fantatr’izy ireo ny asa izay irin’ny Tompo hataony amin’ny maha-tanana manampy azy dia ho tsapany fa tombontsoa ny tsy mandositra ny andraikitra rehetra sy ny tsy miandry hotompoina.HAT 184.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents