Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fitahian’ny Asa

    Hita ao amin’ny fahatsaram-panahy sy ny fanaovan-tsoa irery ihany ny tena fahasambarana. Ny fifaliana ambony indrindra sy madio indrindra dia avy amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy izay nomena. Tsy misy asa mahitsy manambany Ny hakamoana maharikoriko no mitarika ny olona hanao tsinontsinona ireo adidy tsotra eo amin’ny fiainana andavanandro. Miteraka fahasimban’ny saina sy ny fanahy ny fandavana tsy hanatanteraka ireo adidy ireo izay indray andro any dia ho tsapa amim-pangirifiriana. Amin’ny fotoana anankiray eo amin’ny fiainana dia hiseho miharihary ny faharatsian-toetry ny kamo. Voasoratra eo amin’ny boky firaketana izao teny izao: «mpihinana fa tsy mpamokatra”; Lesona ara-panahy mahasoa no azo ianarana amin’ny asa fivelomana rehetra. Ireo izay miasa tany, raha eo am-piasana dia afaka ny hianatra ny dikan’ny teny hoe: «sahan’Andriamanitra hianareo.” Eo amin’ny fon’ny olona no hamafazana ny voan’ny fahamarinana mba hahatonga ny fiainana hitondra ny vokatry ny Fanahy mahafinaritra. Ny marika avelan’Andriamanitra eo amin’ny saina dia ny hamolavola izany amin’ny fifanarahana mandeha tsara. Hofanina ho amin’ny fanompoana ny Tompo ny herim-batana sy ny herin-tsaina tsy mbola nokitihina (...).HAT 184.2

    Nomen’i Kristy ho an’ny rehetra ny asa fanompoana. Izy no Mpanjakan’ny voninahitra kanefa izao no ambarany: «Ny zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa hanompo.» Izy no Mpanjakan’ny lanitra, kanefa nanaiky an-tsitrapo ny ho tonga eto an-tany hanao ny asa izay napetraky ny Rainy taminy. Nanome fahamendrehana ny asa Izy. Mba hahafahany mametraka ny ohatry ny fahazotoana miasa ho antsika, niasa tamin’ny tanany tao amin’ny trano fandrafetana Izy. Teo amin ‘ny fahazazany dia efa nanao ny anjarany tamin’ny fanohanana ny fianakaviana Izy. Tsapany fa anisan’ny fianakaviana izy ary nitondra an-tsitrapo ny anjara entany.HAT 185.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents