Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Lesou’ny Fahafaham-Po amin’ny Asa

    Amin’ireo faharatsiana ateraky ny harena, ny iray amin’ireo lehibe indrindra dia ny fiheverana mahazatra fa manambany ny asa. Manambara ny mpaminany Ezekiela hoe: «Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zanany vavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.” -Ezek. 16:49. Indro aseho eo anoloantsika ireo vokatra mahatsiravin’ny fitomoeram-poana, izay mampahalemy ny saina, manambany ny fanahy sy mamadika ny fahazavan-tsaina, manao ho ozona izay nomena ho toy ny fitahiana. Ny lehilahy sy vehivavy miasa no mahita zava-dehibe sy tsara eo amin’ny fiainana, ary maniry ny hizaka ny andraikitra amim-pinoana sy fanantenana.HAT 189.1

    Ny lesona tena ilaina amin’ny fahafaham-po amin’ny asa eo amin’ireo adidy tsy azo avela eo amin’ny fiainana dia tokony mbola hianaran’ny maro amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Mitaky fahasoavana bebe kokoa, fifehezan-tena hentitra kokoa eo amin’ny toetra, ny miasa ho an’Andriamanitra amin’ny maha-mpanao asan-tanana, mpivarotra, mpahay lalàna, na mpamboly ny fitondrana ny fitsipi-piainana kristianina eo amin’ny asa aman-draharaha andavanandro eo amin’ny fiainana, noho ny miasa amin’ny maha-misiônera voatokana eny amin’ny saha. Mitaky hoza-panahy matanjaka kokoa ny hitondra ny fivavahana ao amin’ny trano fiasana sy ny birao, manamasina ny tsipiriany amin’ny fiainana isan’andro, ary manafatra ireo fifanakalozana rehetra araka ny filamatry ny tenin’Andriamanitra. Kanefa izany no takin’ny Tompo.HAT 189.2

    Noheverin’ny Apôstôly Paoly ho toy ny fahotana ny fipetrapetraham-potsiny. Nianatra ny asa fanaovana lay amin’ny lafiny rehetra izy, ary nandritra ny asa fanompoany dia matetika no miasa amin’izany taozavatra izany izy mba hanohanana ny tenany sy ny hafa. Tsy noheverin’i Paoly ho toy ny fotoana very ny fotoana laniny tamin’izany. Rehefa miasa izy, dia afaka mahatratra ny antokon’olona iray mety tsy ho tratrany mihitsy raha tsy amin’izany fomba izany. Nasehony ireo namany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaiza-manao taozavatra. Nampianariny fa omem-boninahitra amin’ny asa isan’andro Andriamanitra. Ireo tanany nohamafisin’ny asa dia tsy nanaisotra na inona na inona tamin’ny antsom-piriavana alefany amin’ny maha-mpitandrina kristianina azy.HAT 189.3

    Tian’Andriamanitra raha ho mpiasa avokoa ny rehetra. Ny biby miasa mafy mitondra ny enta-mavesatra dia mahatratra izay fikendren’ny famoronana azy noho ny olona izay tsy manao na inona na inona. Mpiasa tsy mitsahatra Andriamanitra. Mpiasa ihany koa ireo anjely; mpanompon’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona izy ireo. Ho diso fanantenana ireo izay mihevitra fa tsy hanao na inona na inona any an-danitra; satria ny fahaizana mitondra ireo fananana any an-danitra dia tsy manome toerana ho an’ny fampanaranam-po ny fahalainana. Kanefa fitsaharana ho an’ny miasa fatratra sy ny mavesatra entana no ampanantenaina. Ireo mpanompo mahatoky izay arahabaina tonga soa avy any amin’ny asany no hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tompo. Hametraka ny fitaovam-piadiany amin’ny fifaliana izy ireo, ary hanadino ny tabataban’ny ady ao amin’ny fitsaharana be voninahitra namboarina ho an’ireo izay nandresy noho ny hazo fijalian’i Kristy. - CTPS, tt. 274-280.HAT 190.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents