Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampianarana

    Ny talenta tsara indrindra izay azo alaina dia ilaina mba hanabeazana sy hamolavolana ny sain’ny tanora, ary hanohizana amim-pahombiazana ireo sampan’asa maro izay ilaina ho vitan’ireo mpampianatra ao amin’ny sekolim-piangonantsika (...). Ilaina, indrindra ho an’ny ankizy, ny mpampianatra tony sy tsara fanahy, maneho faharetana sy fitiavana ho an’ireo rehetra izay tena mila izany (...) Mila mpampianatra izay manana toetra tsara ara-pitondran-tena ambony ny sekolim-piangonantsika; ireo izay azo itokiana; ireo izay azo antoka ao amin’ny finoana, ary manana fahaiza-mamantatra ny toetry ny olona sy faharetana; ireo izay miara-mandeha amin’Andriamanitra, ary mifady ny fihetsika maha-voahoso-dratsy. - TFC, b. 6, tt. 200, 201.HAT 195.2

    Irin’ny Tompo ho eo amin’ny asa fanompoana Azy ny hanana olona manan-tsaina, olona manana fahaizana manokana eo amin’ny sampana samihafa eo amin’ny asa. Ilaina ny mpandraharaha izay hampifamatotra ireo foto-kevitra miezinezin’ny fahamarinana amin’ny fifanarahana ara-barotra ataony. Ary handroso ho amin’ny fahatanterahana ny talentany noho ny fanazaran-tena sy ny fianarana mafy nataony. Raha misy olona ta hampiasa indrindra ny fotoana mety eo anatrehany amin’ny lafin’asa rehetra mba ho tonga hendry sy hahavita zavatra, dia ireo izay mampiasa ny fahaizany, hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao izany. Rentsika ny momba an’i Daniela fa teo amin’ny fifanarahana rehetra mikasika ny asa aman-draharahany, rehefa notsikeraina tamin’ny fomba hentitra indrindra, dia tsy nahitana diso na lesoka iray akory. Ohatry ny tokony ho toetry ny mpandraharaha rehetra izy. Ny tantarany dia mampiseho izay mety ho vitan’ny olona izay manokana ny sainy sy ny heriny rehetra sy ny fony rehetra ary ny fiainany rehetra ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. - COL, tt. 350.HAT 195.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents