Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Asa Fanompoan’ny Mpitandrina

    Tsy misy tokony havela hanamaivana ny asa fanompoana fitoriana ny filazantsara. Tsy misy orinasa tokony hotantanina izay hahatonga ny fiheverana ny asa fanompoana ny teny ho toy ny zavatra ambany. Tsy marina izany. Ireo izay manambany ny asa fanompoan’ny mpitandrina dia manambany an’i Kristy. Ny ambony indrindra amin’ny asa rehetra dia ny asa fanompoan’ny mpitandrina amin’ny sehatra samihafa; tokony hotazonina eo anatrehan’ny tanora fa tsy misy asa voatahy kokoa noho ny asa fitoriana ny filazantsara.HAT 197.2

    Aoka ny tanorantsika tsy horarana tsy hiditra ho mpitandrina. Misy loza mitatao amin’ireo izay noho ny mena miraviravy dia ho voatarika hiala amin’ny lalana izay asain’Andriamanitra hizoran’izy ireo. Ny sasany dia nampirisihina hanaraka ny lalam-piofanana amin’ny sehatry ny fitsaboana ka tokony hanomana ny tenany hiditra ao amin’ny asa fanompoana amin’ny maha-mpitandrina. Miantso mpitandrina misimisy kokoa hiasa ao an-tanimboalobony ny Tompo. Izao no teny voalaza: «Hamafiso ny mpiambina; aoka hisy mpitily mahatoky amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao.” Miantso anao ny Tompo, ry tanora. Miantso ny tafika tanora manontolo izay malala-po sy malala-tsaina, ary manana fitiavana lalina an’i Kristy sy ny fahamarinana Izy. — TFC, b. 6, tt. 411.HAT 198.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents